airtel

Sosialy

05-oct-2022

Sosialy

Sefom-pokontany ao Boriziny Roa taona tsy nandray karama

Sample post image

Nandefa taratasy fanairana tamin'ny Lehiben'ny distrika ao Port Bergé ireo Sefom-pokontany any an-toerana sy ny lefiny fa tsy hanao ny asa napetraky ny fanjakana aminy noho ny tsy mbola nahazoan’izy ireo ny

05-oct-2022

tambin-karamany tao anatin’ny roa taona. Vola 20.000 Ar monja isaky ny sefom-pokontany anefa no mba alaina amin’izany saingy mbola hampifilafilaina ihany no sady elabe vao tonga. Tsy handray anjara amin'ny fanomezana kopia faobe sy fanavaozana ny lisi-pifidianana ho an’ireo feno 18 taona rehetra isam-pokontany araka izany izy ireo. Mety hiova kosa anefa ity fanapahan-kevitra ity raha toa ka tonga soa amantsara eo am-pelatanan’izy ireo ny tambin-karamany hoy hatrany ny vaovao.
Nangonin’i Pati
Legende : Ilay taratasy nanangonan’ireo sefom-pokontany ny sonian’izy ireo
 

Dans la même rubrique

20-mai-2025

Olana miampy olana mandavan-taona ny an’ny Jirama !

Card image cap
19-mai-2025

Navoitran’ny tatitra “Born into the Climate Crisis 2. An Unprecedented Life :

Card image cap
19-mai-2025

Mahatratra 2.400 ny isan’ireo mpiasa maty am-perin’asa isan-taona ho antsika eto Madagasikara,

Card image cap