airtel

Sosialy

25-mars-2026

SENDIKAN'NY MPAMBOLY VARY

Omeo tombony ny vary vokarina,

Sample post image

fehezo ny vary nafarana

25-mars-2026

Nampaneno lakolosy tetsy Andrefanambohijanahary indray omaly ny sendikan'ny mpamboly vary nahitana ny avy amin'ny Faritra Alaotra Mangoro izay anisan'ny sompitr'i Madagasikara. Vao vary akotry 50 taonina isan-kerînandro mantsy hatreto no lafon'izy ireo raha mbola manana 40. 000 taonina ireo tantsaha mpamokatra. Eo an-danin'izay hoy ireo tantsaha mpamokatra dia tokony ho 2.100 Ar ny mason-karenan'ny vary akotry iray kilao nefa tafidina hatrany amin'ny 900 ka hatramin'ny 1000 Ar ny vidiny ankehitriny. Maty izahay tantsaha hoy ny tarainan'izy ireo. Nambaran'ny Filohan'ny sendikan'ny mpamboly vary fa vokatry ny fitobahan'ireo vary nafarana avy any ivelany no antony mahatonga izany izay mifaninana amin'ireo vary vokarina eto an-toerana mihitsy. Miantso ny Fitondram-panjakana mba hifehy ireo vary nafarana avy any ivelany araka izany izy ireo ka tsy hitobakabe eny an-tsena intsony raha tsy amin'ny fotoana tsy fisian'ny vary amin'ny maha-stock azy. Notsiahivin'izy ireo moa fa tsy sanatria tsy te-hivarotra vary mora vidy ho an'ny mpanjifa izy ireo fa sahirana koa ny tantsaha. Midangana ny vidin'ny solika hitaterana ny vokatra hoy izy ireo. Toraka izany koa ireo fitaovam-pamokarana ilaina sy ny zezika miampy ny karaman'ny mpanetsa, mpihava vary...Tsy mora vao tonga eny am-pelatanan'ny mpanjifa ny vary vokarin'ny tantsaha. Mangataka fihaonana amin'ny Filohan'ny fanavaozana ny Kolonely Randrianirina Mickaël mihitsy izy ireo mba hitadiavana vahaolana sy hijerena ny marimaritra iraisana. Nomarihin'ny Depiote Rajerison Antoine voafidy tany amin'ny Distrikan'Arivonimamo izay tonga nanotrona azy ireo moa fa tsy mandeha amin'ny laoniny intsony ny fiainan'ireo tantsaha mpamokatra vokatr'izay fitontongan'ny vidim-bary izay.
Pati
Légende : Ny sendikan'ny mpamboly nitafa tamin'ny mpanao gazety omaly notronin'ny depiote Rajerison Antoine !
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nihaino ny fitarainan'ny tantsaha

Card image cap
16-avril-2026

an'i Inde hodidiana

Card image cap