airtel

Sosialy

23-sept-2022

Sosialy

Tahiana Razanamahefa “Tsy tsara noho ny vary safiotra ny kalitaon’ny vary fanafatra eto”

Sample post image

Isan’ireo mandray anjara amin’ny tsenabe iraisampirenena momba ny fambolena na FIM andiany faha 4 etsy amin’ny Forello Tanjombato ny vondron’orinasa STOI na “Société trading de l’océan indien”.

23-sept-2022

Araka ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny seraseran’izy ireo, Tahiana Razanamahefa, dia eo am-panatanterahana ny velirano faha 9 napetraky ny filohan’ny repoblika dia ny mikasika ny fahavitan-tena ara-tsakafo ny orinasa ankehitriny. Efa miparitaka amina faritra miisa 16 manerana an’I Madagasikara ankehitriny ny voly vary safiotra, hoy izy. Nisy tamin’ity volana ity ny fifanarahan’ny sehatra tsy miankina misehatra amin’izany tamin’ny minisiteran’ny fambolena, izany hoe, tafiditra ao anatin’ny antsoina hoe PPP na fiaraha-miasan’ny sehatra tsy miankina sy miankina amin’ny fanjakana. Ambony be mitaha amin’ny an’ny vary fahitantsika an-davan’andro ny voly vary safiotra. 8 hatramin’ny 12 taonina isaky ny hektara eo ho eo. Miezaka koa izahay ankehitriny miroso amin’ny fambolena masomboly eto an-toerana. Iaraha-mahita ny zava-misy eo amin’ny sehatra iraisampirenena. Mba hialana amin’ny fanafarana vary isan-taona izay mahatratra 500.000 isan-taona any, dia tsara miverina amin’ny fambolena isika. Tantsaha avokoa ny 80%n’ny malagasy ary mbola malalaka ny azo anaovana tanimbary eto amintsika. Izay no antony hanaparitahanay ilay voly vary safiotra sy ny zezika taroka, izay zezika organika vokarina eto an-toerana ary ahafahana mampiakatra ilay taha voalaza teo. Mila tanimbary misy rano nefa ity karazam-bary ity ary tsy tokony amina toerana mafana loatra na mangatsiaka loatra ihany koa. Any amin’ny faritr’i SAVA izao dia efa mahatratra ilay 12 taonina ny taham-bokatra. Vakinankaratra izao ivaiva tsy dia mafana dia 8 taonina. Ry zareo pakistaney sy indianina izay isan’ny fanafarantsika vary izao manomboka manidy trano manao ny tahiriny ary isan’ny nahatonga ity fiaraha-miasa haingan’ny sehatra tsy miankina sy ny fanjakana mandritry ny 5 taona ity izany hanaparitahana faran’izay maika ity karazam-bary ity. Tsara ny manamarika fa tsy tsara noho ny vary safiotra anefa ny kalitaon’ny vary fanafatra eto voalaza teo ireo, hoy hatrany ny tenany, ka anton’ilay hoe 600.000 taonina isan-taona eo no tanjontsika amin’ny famokarana ity vary safiotra ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Raikitra indray ny hetsika fanairana teny Ankatso II omaly noho ny krizin-drano mahazo ireo mpianatra monina eny an-toerana.

Card image cap
25-avril-2024

Mbola eto Madagasikara manatanteraka ny asany ny Talem-paritry ny UNICEF aty amin’ny faritr’i Afrika Atsinanana

Card image cap
25-avril-2024

Efa tena nandefitra ny mponina tety, hoy ny renim-pianakaviana iray eny Amboditsiry,

Card image cap
24-avril-2024

Fahafahan’ny taova manodina ny sakafo hitondra hery sy singa ho an’ny vatana no atao hoe

Card image cap