airtel

Sosialy

06-mars-2026

TANORA MITADY ASA

Ampiana sy tohanana

Sample post image

Ampiana sy tohanana ireo tanora mitady

06-mars-2026

asa eto amintsika. Amin'ny alalan'ilay tsenaben'ny asa sy ny Fiofanana hotanterahina eny amin'ny Havoria Anosy manomboka anio Zoma 06 Martsa no hanehoana izany. Haharitra 2 andro ny hetsika manomboka amin’ny 9 ora maraina ka hatramin’ny 5 ora hariva. Raha araka ny vaovao azo dia hisy ny orinasa sy toeram-piofanana maro handray anjara amin'izany ka an-jatony ny karazana tolotr’asa ho hita ao an-toerana. An’arivony kosa ireo mpiasa mety ho voaray vokatr'izany. Afaka mitondra C.V na curriculum vitæ avy hatrany araka izany ireo tanora liana amin'ity hetsika ity mba tsy hahavery maina foana ny fotoana. Tsiahivina moa fa ny 70%-n'ireo tanora manodidina ny 30 taona eto amintsika dia tsy an'asa avokoa. Tafiditra ao anatin'izany avokoa ireo nahavita fianarana sy tsy nahavita fianarana, antony mampiroborobo ireo karazan'asa tsy ara-dalana eto amintsika.
Pati
Légende : Mila fanampiana ireo tanora tsy an'asa eto amintsika !
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nihaino ny fitarainan'ny tantsaha

Card image cap
16-avril-2026

an'i Inde hodidiana

Card image cap