Miezaka ny mamokatra tsy mijanona izy ireo saingy ny mampalahelo hoy ny sasany dia tsy hita indray ny hanaovana ny vokatra rehefa tena mitobaka. Ho an’ny vokatra voatabia ohatra dia zary lasa lo sy potika fotsiny izy ireny rehefa tsy misy mpividy ao anatin’ny 2 na 3 andro… Saika voakasik’izany avokoa rehefa mety ho famokarana hoy hatrany izy ireo fa tsy ny voatabia ihany. Ho an’ny koperativa Tambatra avy any Miarinarivo Itasy raha araka ny fanazavan’Atoa Pary, dia miompana amin’ny famokarana masomboly vary, ny trondro ary ny zana-kazo fihinamboa ny asa hataon’izy ireo. Mbola tena sarotra anefa ny fitadiavana lalam-barotra hoy hatrany izy ireo ankoatra ny trondro. Ny trondro mantsy dia hakarina isaky ny 5 volana ary manana habe 250 grama ka hatrany amin’ny 300 grama ao anatin’izay fotoana lavalava izay. Havoaka 15.000 ka hatramin’ny 25.000 Ar kosa ny iray kilao eny amin’ny Fier Mada miankina amin’ny habeny sy ny hatsarany. Ho an’ity koperativa iray ity dia mahatratra 50 ara ny tany hiompiany trondro ao Miarinarivo ka ho an’ny tany mirefy 10 ara dia fantatra fa manodidina ny 1.000 isa eo ho eo ny zana-trondro ilaina.
Pati
Olana miampy olana mandavan-taona ny an’ny Jirama !
Navoitran’ny tatitra “Born into the Climate Crisis 2. An Unprecedented Life :
Mahatratra 2.400 ny isan’ireo mpiasa maty am-perin’asa isan-taona ho antsika eto Madagasikara,