airtel

Sosialy

08-févr-2022

Sosialy

Tetikasa “Aqua-kere” Olona 500 000 no hahazo tombotsoa any atsimo

Sample post image

Ny 87%-n’ireo mponina any amin’ny faritra Atsimo Andrefana sy Androy no lasibatry ny fahantrana tanteraka amin’izao indrindra fa ny any ambanivohitra.

08-févr-2022

 Ankoatra ny hanohanana izay manjo azy ireo vokatry ny haintany mantsy dia tapitra maty avokoa ny biby fiompy sy ny fambolena, antony manosika ny Vondrona Enara, ny fikambanana Defi ary ny fikambanana Manampy hifanome tanana amin’izy ireo. Amin’ny alalan’ilay tetikasa “Aqua-kere” no hanatanterahan’izy ireo izany ka hisy ny fanamboarana vovon-drano izay vinavinaina hamokatra rano 100 m³ isan’andro. Toraka izany koa ny famokarana herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro…. Olona manodidina ny 100.000 isa no kendrena hahazo tombontsoa amin’izany ao anatin’ny 5 taona hanaovana ny tetikasa raha omena hotantanan’ny fikambanana kosa ireo foto-drafitrasa vao hatsangana. Tontosa omaly moa ny sonia fifanekem-piaraha-miasa teo amin’ny Vondrona Enara, ny fikambanana Defi ary ny fikambanana Manampy izay hifanome tanana amin’ny fanatanterahana izany. Tanjon’ny telo tonta ny hahafahana manafoana mian-dalana ny fahantrana mianjady amin’ireo mponina any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy ateraky ny kere arahin’ny fitazonana azy ireo mba hotamana any amin’ny faritra misy azy ho enti-miady amin’ny fifindra-monina.
Pati
Legende : Tena mila fanampiana ireo mpiara-belona any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy
 

Dans la même rubrique

26-sept-2023

Miditra efatra andro anio Talata 26 Septambra ny fahatapahan-drano ao anatin’ny kaominina Alasora,

Card image cap
26-sept-2023

Tontosa omaly 25 septambra 2023 tao amin’ny distrikan’Ankazobe ny fizarana titra sy kara-tany ho an’ny faritra

Card image cap
26-sept-2023

Tonga tao amin'ny Port Ehoala Fort Dauphin omaly ny sambo Triumph avy any Turquie izay mitondra ireo fantsona

Card image cap