raha kely ireo tokantrano marefo eto amintsika. Vehivavy miaraka amin’ny zanany 2 na 5 no miara-mipetraka amin’ny efitrano iray mivelona amin’ny asa an-tselika toy ny fivarotana amoron-dalana, ny tsaka ranon’olona, ny sasa lamba....Nodinihina nandritra ny fihaonana teo amin’ny Ministeran’ny Mponina sy Firaisankina sy ny Fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana momba ny Sakafo na ny PAM ny momba izany, omaly indrindra fa ny fitantanana sy ny fampiasana ny RSU. Toraka izany koa ny fanitarana ny fanavaozana ny asa fanangonana efa natao ary ny fiarovana sy ny fifampizarana izany. Nasongadina manokana ny andraikitry ny RSU amin’ny famantarana ireo tokantrano marefo, ny fandrindrana ny fanampiana eny ifotony ary ny fitadiavana vahaolana haingana momba ny loza sy ny krizy. Nandray ny delegasiona avy amin’ny PAM, notarihin-dRamatoa Clare O'brien Mpanolo-tsaina momba ny fiahiana ara-tsosialy ao amin’ny foiben’ny PAM, Andriamatoa Rajaonary Sylvestre, Tale Jeneralin’ny Firaisankina eo anivon’ny Ministeran’ny Mponina sy Firaisankina. Tanjon’ny roa tonta ny hanamaivanana ny fahasahiranan’ireo tokantrano marefo rehetra, indrindra fa ny adidy sahanin’ireo Renim-pianakaviana mamelona irery ny menaky ny ainy.
Pati
Legende : Nandritra ny fihaonan’ny roa tonta !