airtel

Sosialy

25-oct-2024

Tsy fahampian-drano eto an-drenivohitra

Efa mandeha ny tetikasa lavadrano isaky ny boriboritany

Sample post image

Olana goavana amin’ny fiainana andavanandron’ny mponin’Antananarivo renivohitra ankehitriny ny rano.

25-oct-2024

Miha mahery vaika isam-boana ny fahatapahana ka na ireo paompin-dranom-pokonolona aza dia manana olana ihany koa, ny any an-tokantrano moa dia efa zara raha misy 1 na 2 ora isan-kalina no mandeha ny rano. Mahafantatra tsara an’io ny kandida ho ben’ny tanàna Tahina Razafinjoelina ary efa ao anatin’ny vinan’ny Tia Tanindrazana mihitsy ny resaka rano ho an’ny mponina.Ho fanombohana ny Asa Maharitra ho an’Antananarivo (AMA) amin’ny lavadrano dia efa nisy lavadrano 2 vita eny Mahatony.Ary tamin’ity herinandro ity dia misy asa fandavahana lavadrano miisa 5 izay efa mandeha eny Andohan’i Mandroseza, Ampamatanana, Amboditsiry ary Ambatomaro. Ireo olona ao amin’ny fokontany sy ny boriboritany no mahalala hoe ahoana ny filàna dia arakarak’izay no hanaovana ilay tetikasa. Sady mitsinjo ireo tsy an’asa no mamaly ny filàn’ny mponina ny Asa Maharitra ho an’Antananarivo. Tsara ho marihina fa rano natao idiovana sy hanasana lamba ny rano tovozona avy amin’ireto lavadrano ireto.
RTT
 

Dans la même rubrique

12-juin-2025

Mahasarotiny ny Randrana sendikaly ny CNaPs satria miantoka ny ain’ny mpiasa sy ireo nahavita be teo amin’ny asa,

Card image cap
12-juin-2025

Nampiakarin’ny Banky Iraisam-pirenena ho 3 dolara na 15000Ar eo isan’olona isan’andro ny

Card image cap
12-juin-2025

Mbola ny kaominina hatrany no manao ny asan’ny JIRAMA amin’ny famahana

Card image cap
12-juin-2025

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny ririnina isika ankehitriny,

Card image cap