izao fa tsy dia tazana sy tsy hita eny amin’ireo toerana nahazatra azy ireo tsy manan-kialofana sy mpangataka eny an-dalambe na « 4mi », hoy ny fiantson’ny besinimaro azy. Navondrona amina toerana iray ireo tsy manan-kialofana miisa 15 000 voaisan'ny kaominina, raha ny tatitra. Hiverina amin’ny mahazatra ve izy ireo aorian’ny COI ? Hisy fananganana toeram-pandraisana na « centre d’hébergement » ho an’ireo tsy manan-kialofana eto Antananarivo, hahafahana mandray azy ireo, ary hasiana jiro sy toera-pidiovana mba hitandroana ny fahadiovana, raha ny nambaran'ny ben'ny tanàna, Ramanantsoa Harilala ny talata lasa teo. Nambara fa tsy natao hipetrahana mandrakizay anefa izany fa mandra-piharin'izy ireo amin’ny fiainana. « Azo atao ny mijery manokana ireny ankizy ireny. Raha tsy jerentsika dieny izao izy ireny dia ho lasa feno olona tena monina ny mipetraka amina toerana iray izay tsy natokana ho amin'izany ny tanàna'', hoy hatrany i Harilala Ramanantsoa. Namafisiny fa misy hatrany ny fanentanana azy ireo, ary misy koa ny ''accompagnement'' mba hialan'izy ireo amin'ny fahazaran-dratsy, hahafahana mitazona ny fahadiovan'ny tanàna. Andrasana indray izany hoe : tena ho voatazona sy ho voahaja araka ny fanambin’ny Kaominina ve ny fandaminana sy fanajariana natao sa sanatrian’ny vava ho zary mandalo fotsiny fa hiverina ny korontana vao vita ny fampiantranoana vahiny ?
Toky R
Navoakan’ny Fandaharanasan’ny Firenena Mikambana misahana ny Fampandrosoana (PNUD)
Mitombo hatrany ny fidangan’ny vidim-piainana (inflation) teto Madagasikara raha
Tsy mitovy ny Base Toliara sy Soamahamanina, hoy ny fanehoan-kevitry ny kandida ho
Navoitran’ny tatitra 2025 teo anivon’ny Fandaharanasan’ny Firenena Mikambana misahana ny