airtel

Sosialy

26-déc-2022

Sosialy

Zazavavy vao 12 taona Notambazana vola sy « biscuit » dia naolana avy eo

Sample post image

Lehilahy iray 46 taona no nosamborin’ ny polisy miasa ao amin'ny fitaleavam-paritry ny filaminam-bahoaka Anosy ny 20 desambra teo rehefa nanolana zaza tsy ampy taona.

26-déc-2022

Nametraka fitoriana tao amin’ny biraon’ny Polisy misahana ny zaza tsy ampy taona tao Tolagnaro ny 17 desambra ny ramatoa iray 50 taona raha tsiahivina. Nisy nanolana ny 15 desambra lasa teo mantsy ny zanany vavikely vao 12 taona monja ka ity rangahy iray 46 taona no tompon'antoka tamin'izany. Alina vao tonga tao an-trano ity ankizikely ity ka rehefa nanontanian'ny renibeny dia nilaza fa tany an-tranon'ity lehilahy lehibe ity ary nitaraina fa naolan'ity farany. Notambazan'ity lehilahy lehibe ity vola 1.000 Ar sy bisikoitra ilay ankizy kely ary nanamparany ny filan-dratsiny rehefa azon’itsy voalohany izany. Ny 20 desambra teo no noraisina am-bavany io rangahy izay nolazain’ilay zaza fa nanolana azy io saingy nandà ny fiampangana azy . Rehefa nivaly anefa ny tatitra fitsirihana fahasalamana avy amin’ny dokotera dia fantatra fa mitondra vohoka 5 volana ity zazavavikely 12 taona ity. Fantatra araka izany fa efa nanomboka tamin'izy 11 taona no nisian'izao fanolanana izao ary ity rangahy ity no nahabevohoka azy. Efa naiditra am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjaben’i Taolagnaro moa ity lehilahy nahavanon-doza ity taorian’ny nakana am-bavany azy.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay mpanolana
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Tahaka ireo fokontany sasany ao anatin’ny Boriborintany faha-5 eto Antananarivo,

Card image cap
19-avril-2024

Nanambara ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, raha ny fampitam-baovao voaray omaly,

Card image cap
19-avril-2024

Nanatanteraka valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ireo tale vitsivitsy eo anivon'ny Kaominina Antananarivo

Card image cap
19-avril-2024

Lasa tanana mampalahelo, feno entana miparitaka ny etsy Ampefiloha ambadiky ny Cnaps

Card image cap