mbola maro ny hetahetany
Mankasitraka feno ny ezaka hataon’ny Fitondrana ankehitriny ny zokiolona. Maro ireo ady sisika sy tolona nataon’izy ireny saingy ankehitriny vao nivaly avokoa izany. Anisan’izany ny fanolorana mari-boninahitra ho an’izay tena mendrika. Am-polony izy ireo, lanonana natrehin’ny Ministry ny Mponina sy ny Firaisankina Rtoa Rakotoniaina Voahangirina Cathia. Ny faran’ny herinandro teo no nanatanterahana izany izay nifanindry an-dalana tamin’ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny zokiolona sy ny faha-20 taona nijoroan’ny FIZOMA na ny Firaisamben’ny Zokiolona eto Madagasikara. Narahin’ny fizaham-pahasalamana maimaim-poana ny hetsika izay tena olan’ny zokiolona tokoa ankehitriny, ny fifampizarana traikefa ary ny fanolorana fitaovana. Faly ireo zokiolona tamin’ny ankapobeny saingy mbola hetahetan’izy ireo kosa ny fanatanterahana tanteraka ny karatra maitso ho an’ny rehetra mba hahafahan’izy ireo misitraka ireo zo ara-tsosialy fototra tokony omen’ny fanjakana azy toy ny fitaterana, ny fahasalamana. Nambaran’ ny filoha Nasionaliny Harimbola Rakotoson, fa na dia efa voafaritra ao anatin’ny Lalàmpanorenana aza ny zon’ny zokiolona, dia mbola tsy tena tanteraka izany amin’ny fiainana andavanandro. Hetahetan’izy ireo koa ny hametrahana ny zokiolona ho Raiamandreny, mpandrindra sy mpandamina ny fiainam-pianakaviana sy zokiolona. Tsiahivina fa miparitaka manerana ny faritra 17 ny FIZOMA. Miisa 178 ireo mpikambana ankehitriny izay mbola hiantsoan’izy ireo ireo zokiolona rehetra manerana an’i Madagasikara mba hiray hina sy hifanohana.
Pati
Legende : Nandritra ny fanolorana ny mari-boninahitra!