airtel

Sport

17-juin-2026

Ankoay ny Mpanazatra

Mickaël Pivaud sy ny

Sample post image

Tsy manan-tsafidy afatsy fandresena any Sénégal...

17-juin-2026

Ny volana mey teo no efa fantatra ny fanapahan-kevitra nakana an’i Mickaël Pivaud ho mpanazatra ny Ankoay lehilahy ho an’ny taranja basikety « 5x5 ». Hiditra an-tsehatra amin'izay hitondra ny ekipa amin'ireo fifaninanana Iraisam-pirenena miandry ity teknisianina Frantsay ity, indrindra ny fifanintsanan'ny fiadiana ny tompondaka eran-tany izy na sarotra aza ny toeran'ny Ankoay. Teknisianina manana traikefa sy laza amin’ny fanofanana ary ny sehatra avo lenta any Frantsa i Mickaël Pivaud, ka tsy hiandry ela fa izy avy hatrany no hitantana ny fihaonana voalohany amin’ny ekipa afaka herinandro, ho fanomanana ny fifanintsanan'ny "Coupe du monde FIBA 2027". Nandalo tao amin’ny AS Monaco Basket, Hyères-Toulon, Marseille ary Champagne Basket i Pivaud, manana fahaiza-manao amin’ny fampivoarana mpilalao, ny fahitsiana ara-taktika ary ny fananganana ekipa miray hina. Ny fihaonana manan-danja sy sedra voalohany ho azy dia ny lalao hatao ny 2–5 Jolay 2026 any Dakar, Sénégal, ao amin’ny Groupe B izay ahitana an’i Sénégal, Côte d’Ivoire, RDC ary Madagascar. Taorian’ny faharesena telo tamin’ny "fenêtre" teo aloha fony teo ambany fitarihan’i John Douaglin ny Ankoay, ka tsy manana safidy intsony fa tsy maintsy mitady vokatra tsara. Ny Ankoay no hanokatra izany andiany izany amin’ny 2 jolay manoloana an’i Repoblika Demokratika Kongo amin’ny 6 ora hariva (ora eto Madagasikara). Roa andro aorian’io, hifandona amin’i Sénégal, izay mpampiantrano, izy ireo amin’ny 9 ora alina. Hifarana any Dakar ny dian’i Madagasikara amin’ny 5 jolay rehefa hiatrika an’i Côte d’Ivoire amin’ny 6 ora hariva. Miaraka amin’ity fitarihana ara-teknika vaovao ity, fanamby ny tsy maintsy hanarenana ny haingana ny Ankoay. Tanjona ny hananganana fiaraha-mientana tsara sy ny hiverenana amin’ny lalana mankany amin’ny fandresena amin’ity hazakazaka mankany amin’ny Mondial 2027 ity na sarotra aza ny miandry. Hanana mpilalao fototra ny Ankoay toy ny Mathias M’Madi, efa zatra amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena, ary koa Sitraka Raharimanantoanina sy Kiady Mijoro Razanamahenina. Anatin'ny fanomanana hentitra ny Ankoy mba hahazoana vokatra.
Toky R


 

Dans la même rubrique

17-juin-2026

Azo vinaniana handrombaka fanindroany ny amboara…

Card image cap