airtel

Sport

07-juin-2022

Sport

BAREA Mila mandresy in-telo amin’ny lalao efatra

Sample post image

Faharesena iray, ary ady sahala iray! Io aloha no vokatra azon’ny Barean’i Madagasikara tamin’ireo lalao roa amin’ny fifanintsanan’ny CAN 2023 hatao any Côte d’Ivoire. Nisaraka 1-1 nanoloana ny Palancas Negras ekipam-pirenena

07-juin-2022

Angolais teny Mahamasina ny alahady 05 jona teo. Baolina voatsoriakan’i Njiva teny an-tongotry ny mpiandry harato Angolais teo amin’ny faha-35 no nanokafantsika ny isa. Voasahalan’i Gelson Dala kosa izany teo amin’ny minitra faha-43 noho ny fitavozavozana teo amin’ny vodilaharana ankavia, ka nahafan’ny mpifanandrina nampiditra tolotra tao anaty faritra tsy azo ivalozana mbola nanary ny vodilaharana afovoany, ka mora tamin’ny mpifanandrina ny namono izany. Maro ny fanafihana nentin’ny Barea indrindra tamin’ny fizaram-potoana voalohany, saingy tsy nety nivadika ho isa. Tototry ny fanafihana ihany koa anefa isika, saingy tao anatin’ny heriny tanteraka i Nina izay nanavotra baolina maro. Nilaza ho afa-po tamin'ny lalaon'ny Barea moa ny mpanazatra Nicolas Dupuis. "Na izany aza, hita ihany ny tsy fahaiza-miaraka teo amin'ireo mpila ravinahitra sy ny avy eto an-toerana. Tsy ampy ny lalao noho ny tsy fisian'ny fampivondronana nahafahana nanomana ny lalao tany Ghana na ny androany", hoy izy. Nambarany fa hiverina ao anaty ekipa i Metanire, Marco ary i Jérémy Morel amin'ny lalao hihaonana amin'ny Centrafrique amin’ny septambra. Mikasika an'i Dorian Bertrand, nilaza ny mpanazatra fa tsy toerany no nasiany azy teo ambony kianja, na izany aza anefa niezaka nilalao ihany izy. Mangataka 20 andro amin'ny Federasiona I Nicolas Dupuis ahafahany mandray an-tanana ny mpilalao avy eto an-toerana, hanomezana fiofanana mikasika ny lalao iraisam-pirenena ho azy ireo. Ankoatra izay, azo heverina, hoy Dupuis, ny hisian'ny lalao ara-piralahiana eo amin'ny Barea sy ny Capverdien.
VOATERY TSY MAINTSY MANDRESY IN-TELO EO…
Hatreto, mitana ny laharana fahaefatra farany vonjimaika isika ao anatin’ny Vondrona E. Voalohany I Ghana manana isa (Nandresy 3-0 antsika ary nisaraka ady sahala 1-1 tamin’I Centrafrique). Faharoa kosa I Angola manana isa 4 ihany koa (Nandresy 2-1 an’I Centrafrique, ary 1-1 tamin’I Madagasikara). Fahatelo kosa I Centrafrique manana isa 1, ary miiba iray baolina matiny. Fahaefatra kosa isika amin’ny alalan’ny isa 1, ary miiba 3 ny baolina matintsika. Mila mitady fandresena in-telo amin’ny lalao efatra eo isika no tsara indrindra mba hahazoana isa 10, raha ny raiki-pohy ahafahana miakatra amin’ny CAN 2023. Izay 2 voalohany ao anaty vondrona no tafita, ka raha tsy mandresy in-telo, dia mbola hifampiankina amin’ny isa azon’ny firenena tsirairay. Lalao mandroso sy miverina amin’i Centrafrique, fanafihana an’i Angola, ary fandraisana an’i Ghana eny Mahamasina no miandry ny Barea.
Toky R
 

Dans la même rubrique

08-mai-2024

Tsy afa-bela! Tapitra teo amin’ny dingana manasa-dàlana indray aloha ny nofinofin’ny Paris Saint-Germain

Card image cap
08-mai-2024

Tsy misy maha Amboaran'i Madagasikara intsony satria mbola nomena tombony ireo ekipa amin'ny Pure Play

Card image cap
07-mai-2024

Afaka mahavita zavatra, ary tena afaka mifampitana sy mandresy ny vazaha ny Malagasy amin’ny hazakazaka

Card image cap
07-mai-2024

ny 3 jona izao isika no hihaona amin’ny Kaomoro, izany hoe 1 volana latsaka sisa,

Card image cap