airtel

Sport

04-mars-2026

Barean'i Madagasikara

Hiatrika lalao ara-piralahiana miisa 2, raha kely

Sample post image

Lalao ara-piralahiana miisa 2,

04-mars-2026

raha kely, amin’ny volana Martsa, raha ny fampitam-baovao voaray avy amin'ny federasionina malagasin'ny baolina kitra farany teo izany, no hatrehin'ny ekipam-pirenena malagasin'ny baolina kitra na Barean'i Madagasikara. Ekipam-pirenena miisa 3 no mety hifanandrina amintsika, raha ny fanazavana voaray. Isany i Bahreïn, laharana faha 90 erantany, raha ny fampilaharan'ny federasionina iraisampirenena na FIFA farany teo. Kirghizistan, faha-103, koa isany. Ouganda kosa, izay faha-80, no fahatelo. Ny Barea moa hatreto dia eo amin'ny laharana faha 104 no misy azy. Heverina, noho izany, fa hampitombo herijika hiatrehana ireo fifaninanana iraisampirenena goavana hoavy toy ny amboaran'i Afrika sy amboara erantany ireto lalao ireto raha ho azo indray.
Nangonin'i J. Mirija
 

Dans la même rubrique