tompondakan'i Afrika eo amin'ny baolina kitra na ny CAN 2025, andiany faha-35. Nivoaka ho mpandresy tamin'ny isa 1-0 nanoloana an'i Maroc mpampiantrano i Sénégal, efa tany amin'ny minitra faha-4 ny fanalavam-potoana rehefa nisaraka 0-0 nandritra ny 90 minitra sy ny minitra fanampiny nahatratra 8 minitra. Azo lazaina ho famaranana nampitolagaga sy tao anatin'ny savorovo ihany ny lalao noho ny zava-nitranga teo amin'ny faha-97 iray minitra tsy hifaranana noho ny hadisoana azon'i Maroc rehefa nojerena ny VAR (Video Assistant Referee) ka namarinin'ny mpitsara ny fanosehana nahazo an'i Brahim Diaz. Isan'ny tsy nahafaly ny ekipa Sénégalaise ny baolina matiny teo amin'ny faha-91 minitra saingy nolavin'ny mpitsara noho ny fahitana fa nisy fanosehana vodilaharana Maraokanina nataon'ny mpilalao izay isan'ny nanao ny tolotra niteraka ny fahafatesan'ny baolina, niampy ilay penalty azon'i Maroc teo amin'ny minitra farany. Nivoaka ny kianja ny mpilalao Sénégalaise rehefa nahazo toromarika tamin'ny mpanazatra Pape Thiaw tsy hanaiky hanohy ny lalao noho ilay penalty, hany ka niato efa ho 15 minitra ny lalao. I Sadio Mané avy eo no niantso ny namany hiverina an-kianja. Notohizana tamin'ilay penalty nampiafy hevitra, saingy tsy maty fa azon'i Edward Mendy ny panenka an'i Brahim Diaz, mpilalaon'ny Real Madrid. Nanova zavatra sy nampitsimbadika ny rasa iny, nampiakatra ny herijikan'i Sénégal izay efa teo ambavahaonan'ny faharesena, saingy nahazo fandresena nampitolagaga. Nitohy tamin'ny fanalavam-potoana izay nivoahan-dry zareo Sénégalais ho mpandresy tamin'ny alalan'ny fanafihana nentin'i Sadio Mané sy nodakan'i Pape Gueye avy lavitra ka nanary tanteraka an'i Yacine Bono izay nanavotra baolina betsaka. Niezaka namono baolina ny Maraokanina fa tsy nety intsony ary efa saika niampy aza ny isa. Nobatain'i Sénégal ny tompondaka, fa ho an'ireo mpilalao manokana kosa dia i Yacine Bono no voahosotra ho mpiandry harato mendrika indrindra. Brahim Diaz izay namono baolina 5 no voahosotra ho mpamono baolina betsaka indrindra. I Sadio Mané kosa no mpilalao mendrika indrindra, fanindroany no nahazoany an'io teo amin'ny tantaran'ny CAN satria efa izy ihany koa no nibata an'izany ny taona 2022 tany Cameroun. Iny ihany koa ny CAN farany ho azy, izay izy no mpamono baolina be indrindra ho an'i Sénégal teo amin'ity fifaninanana ity izay nahatratra 11 hatramin'izay, ary mbola izy ihany koa no nahavita tolotra betsaka indrindra. Nikatona tanteraka ny CAN 2025 izay tsapa ny fivoaran'ny lentan'ny fifaninanana sy ny ekipa Afrikanina. Nanehoan'i Maroc ny tanjany amin'ny fandraisana lalao goavana iraisam-pirenena, nandaniany hatrany amin'ny 1,70 miliara dolara latsaka kely, ary efa miomana hanamboatra kianja goavana Hassan heveriny handraisana ny Mondial 2030 miaraka amin'i Espagne sy Portugal izy. Nahatratra 20 tapitrisa ny mpizahatany tonga nitsidika an'i Maroc nandritra ny CAN, izay ambony indrindra teo amin'ny tantarany,...
Toky R