airtel

Sport

27-oct-2026

Coupe du monde FIFA

Festival U15 Tafita amin’ny

Sample post image

dingana faharoa ny Barea

27-oct-2026

Fandresena 4, ary faharesena iray ! Io no vokatra azon’ny Barean’i Madagasikara sokajy latsaky ny 15 taona na Barea U15 tao anatin’ny fifanintsanana isam-bondrona, amin’ny fiadiana ny tompondaka eran-tany any Azerbaïdjan. Omaly vao tojo faheresana isika rehefa lavon’ny ekipan’i Venezuela tamin’ny isa 1 noho 0. Lalao henjana sy nifandanja no natrehin’ny roa tonta, saingy nahavita nitahiry ny tombony tokana azony ny Venezueliana ka nanakana ny dian’i Madagasikara tsy hitohy amin’ny fandresena misesy. Talohan’izao faharesena voalohany izao dia nahavita nandresy an’i Mozambika tamin’ny isa 2 noho 0 izy ireo, nandavo an’i Nouvelle-Zélande 4 noho 3, ary naharesy an’i Porto Rico tamin’ny isa 4 noho 3. Vokatra mampiseho fa manana fahavononana sy herim-po hifaninana amin’ireo firenena avy amin’ny lafivalon’izao tontolo izao ny tanora Malagasy. Tsy nifarana teo anefa ny adin’ny Barea U15. Ho an’ny lalao fahadimy farany omaly, nahavita niverina avy hatrany tamin’ny lalan’ny fandresena ka nandresy tamin’ny isa 2 noho 1 an’i Somalie isika. Laharana faharoa tao anatin’ny Vondrona T isika isika izay nahazo isa 12, tafita amin’ny dingana manaraka, ka rahampitso indray vao hiakatra kianja ny Barea, izay mbola tsy fantatra izay hifanandrina amintsika tamin’ny ora nanoratana. Ny vokatra azo dia manaporofo ny fahafahan’ny ekipa Malagasy manana fahatokisan-tena bebe kokoa amin’ny ady manaraka, izay irariana sahady ny hahombiazantsika hatrany.
Toky R

 

Dans la même rubrique

27-oct-2026

Taorian’ny fandresen’izy

Card image cap
26-oct-2026

Nandravarava ny Barea, fandresena telo nisesy…

Card image cap
26-oct-2026

samy manana kianja miisa 5 na 6»

Card image cap