airtel

Sport

27-oct-2026

Süper Lig ao Torkia

Mitarika ry Rayan Raveloson

Sample post image

Taorian’ny fandresen’izy

27-oct-2026

ireo tany an-tanin’olona ny Samsunspor tamin’ny isa 1 noho 2 dia mitarika amin’ny filaharana eo amin’ny Süper Lig na ny fiadiana izay ho tompondaka ao Torkia hatreto ny ekipa misy ny kapitenin’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra, Rayan Raveloson na Amed SK izany. Manana isa 20 izy ireo tao anatin’izany andro miisa 9 vita izay. Manaraka azy ao ny Galatasaray, manana isa 19. Faha 3 ny Fenerbahçe, manana isa 16 ary faha 4 ny Trabzonspor, manana isa 16 ihany koa saingy ny lalao efa vita no tsy mitovy. Raha ny fampitàm-baovao voaray hatrany, hatreto, dia miezaka mametraka ny fahaizany amin’ny alalan’ny famoronana fanafihana na «création offensive» hatreto ity mpilalao eo afovoanin’ny kianja ity ao anatin’izao faha 29 taonany izao.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

27-oct-2026

dingana faharoa ny Barea

Card image cap
26-oct-2026

Nandravarava ny Barea, fandresena telo nisesy…

Card image cap
26-oct-2026

samy manana kianja miisa 5 na 6»

Card image cap