Tsy vitsy ireo mpamakafaka fanatanjahantena no mihevitra fa azo vinaniana handrombaka fanindroany ny amboara erantany eo amin'ny taranja baolina kitra indray ny La Roja na ny ekipam-pirenen'i Espagne taorian'ny nahazoany izany ny taona 2010 rehefa nandresy 1 noho 0 ny ekipam-pirenen’i Hollande tamin’ny isa 1 noho 0. Mihevitra ireo mpamakafaka fa ny sahala 0 noho 0 nanoloana an’i Cap Vert ny alin’ny alatsinainy teo dia hanery ny ekipam-pirenen’i Espagne hitrandraka paikady hahombiazana kokoa hihatrehana ny tohin’ny fifaninanana ary hampitombo ny fahamailoana amin’ny lafiny rehetra na ny mikasika ny vodilaharana io na ny afovoanin’ny kianja. Tsy vitsy ireo ekipam-pirenena goavana neverina ho sahirana tanaty fiodinana voalohany tahaka izao no tonga lavitra ihany avy eo raha tsy hiteny afa-tsy ny frantsay, ohatra, izay nanao sahala 0 noho 0 tamin'i Soisa ny andro voalohan'ny amboara erantany 2006 nefa avy eo tonga tany amin'ny famaranana ihany. Toy izany koa i Argentine, izay resin'i Arabie Saoudite 1 noho 2 mihitsy tao anaty fifanintsanana nefa dia tompondaka erantany fanintelony avy eo ny taona 2022.
Nangonin’i J. Mirija