airtel

Sport

08-août-2025

Fanomanan-tenan’ny Paris FC

Miha tafiditra hatrany i El Hadary Raheriniaina

Sample post image

2 noho 2 no isa nisarahan’ny ekipan’ny Paris FC sy ny fiombonan’ireo mpilalao

08-août-2025

matihanina ao Frantsa na UNFP nandritry ny fanomanan-tenan’ity ekipa parizianina tafaverina amin’ny fifaninanam-pirenena ho an’ny divizionina voalohany eo amin’ny taranja baolina kitra frantsay ity, nandritry ny lalao fanomanan-tena mialohan’ny farany nataon’izy ireo ny alarobia teo. Miha tafiditra hatrany ihany koa, ao anatin’izany rehetra izany, ny lohalaharana malagasy, El Hadary Raheriniaina, izay milalao ao amin’ny Paris FC. Lalao faharoa niarahany tamin’ny ekipa A ity ary ny sabotsy izao no lalao fanomanan-tena farany hihaonan’ny Paris FC amin’ny FC Nantes mialohan’ny tena idirana amin’ny taom-pilalaovana frantsay 2025 – 2026. Mahavelom-panantenana hatrany, raha ny hita hatreto aloha, ny lalao asehon’ity malagasy vao 18 taona, mirefy 1,75 metatra ity, na dia tamin’ny fizaràm-potoana faharoa indray aza izy vao nampidirin’ny mpanazatra teto, raha toa koa fizaràm-potoana voalohany no nilalaovany nandritry ny lalao ara-pirahalahiana na fanomanan-tena voalohany niarahany tamin’ireto divizionina voalohany ireto nialohan’izao.
Nangonin’i J. Mirija 

Dans la même rubrique