airtel

Sport

06-sept-2021

Sport

Fihaonan’ny Barea sy Tanzania Hirariana ny hisian’ny fahagagana

Sample post image

Tontosa ihany moa iny ny voalaza hoe “fitokanana” ny Kianja Barea Mahamasina ny sabotsy teo. Tsy hitarina be ny resaka fa samy mahalala ny dikan’izany atao hoe fitokanana

06-sept-2021

izany ny fomba atao amin’izany rehefa Malagasy na dia fahalalana ankapobeny ihany aza. Maro ireo velom-panontaniana hoe ny efa avy nampiasaina ve mbola natao ho tokanana? Toy ny adihevitra niseho tamin’ny fametrahana ny “colisée” tao anaty rova ihany saingy rehefa ny “henjana”, araka ny famaritan’ny tanora azy moa no manapa-kevitra dia tsy hisy hihaino anao eo na mpahaivakoka ianao na mpahaifomba na mpahaigolantany na mpahaitantara sy mety ho mpahalala izany rehetra. Firifiry ny olom-pirenena, tekinisianina amin’ny fanatanjahantena, mpanao gazety niresaka ny vokatry ny tsy fanajana ny atao hoe “mise au vert” tao anatin’izay tantaran’ny fanatanjahantena teto amin’izao tontolo izao izay saingy ireny mbola notazonina hanohy ny revy ireny ihany moa omaly ireo tokony hamonjy izany any Tanzania any. Mety jery miabo azo raisina ihany angamba ny hoe fisiana lalao nitsapana tanaty fotoana fohy ireo mpilalao maromaro tao amin’ny ekipam-pirenena Malagasy izay mbola hanohy ny lalao fifanintsanana ho fiadiana ny tapakilan’ny tompondaka eran-tany ato amin’ny sokajy J izay hihaonantsika amin’ny ekipam-pirenen’I Tanzania ny talata izao. Zara raha manana 2 andro hanomanana ity lalao faharoa ity isika. Mbola any an-tanin’olona koa amin’io no hanaovana ny baolina. Ny harerahana vokatry ny sidina eo. Mbola mampametra-panontaniana koa etsy ankilan’izay ity hahamehana ara-pahasalamana natsahatra eto amin’ny firenena ity ka nahafahana namory olona marobe tao amin’ny kianjaben’I Mahamasina tao. Ahiana mety ho fenitra azon’ny mpifanandrina ilana vaniny amintsika avokoa izany rehetra izany. Ny ahiahy tsy hihavanana saingy enga anie mba ho tanteraka amin’ity ilay fitenenana hoe ny hamisavisana ny ratsy hihavian’ny soa ary dia hirariana ny mba hisian’ny fahagagana ka hahatafavoaka ho mpandresy ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra any an-tanin’olona any. Alefa Barea !
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

08-mai-2024

Tsy afa-bela! Tapitra teo amin’ny dingana manasa-dàlana indray aloha ny nofinofin’ny Paris Saint-Germain

Card image cap
08-mai-2024

Tsy misy maha Amboaran'i Madagasikara intsony satria mbola nomena tombony ireo ekipa amin'ny Pure Play

Card image cap
07-mai-2024

Afaka mahavita zavatra, ary tena afaka mifampitana sy mandresy ny vazaha ny Malagasy amin’ny hazakazaka

Card image cap
07-mai-2024

ny 3 jona izao isika no hihaona amin’ny Kaomoro, izany hoe 1 volana latsaka sisa,

Card image cap