Toy ny fikambanam-behivavy rehetra dia nankalaza sy nanamarika ny andro maneran-tany ho an'ny vehivavy koa ny fikambanana Porte-bonheur tarihin-dRandriantsoa Mireille ny faran'ny herinandro teo. Hafakely ny hetsika entin'izy ireo hanamarihana izany. Tsy tamin'iny andron'ny Alahady iny ihany mantsy fa hitôhy mandritra ity volana Martsa ity ho an'ireo vehivavy ao anatin'ny kaominîna Alasora,distrikan'Avaradrano. Hisy ny fitiliana maimaimpoana ny aretin'ny homamiadana mpahazo ny vehivavy ao anatin'ilay hetsika Mars en rose. Hiarahan'ny fikambanana amin'ny Centre Mahasoa izany ka ny tanjona dia mba ho vehivavy salama afaka hikarakara ny ankohonany sy hamokatra no hita ao Alasora. Nambaran-dRandriantsoa Mireille moa fa manana anjara toerana lehibe ny vehivavy amin’ny fampandrosoana ny fiaraha-monina sy ny firenena, indrindra eny ifotony. Aza menatra, aza mifampiandry hoy izy fa raiso an-tanana ny fahasalamanao, satria hetsika maimaim-poana ary misokatra ho an’ny rehetra izany mandritra ity volana martsa ity.
Pati
Légende : Randriantsoa Mireille, vadin'ny Ben'ny tananan'Alasora notronin'ireo mpikambana !