airtel

Sport

02-févr-2026

Fikojakojana ny bozaky ny Kianja Barea

Nisintaka ny Société Garden & Design

Sample post image

Amin’izao andro latsak’orana izao

02-févr-2026

no nanambara ampahibemaso ny Société Garden & Design fa mifarana ny anjara andraikiny amin’ny fikarakarana ny kianjan’ny Barea. Feno alahelo sy fahadisoam-panantenana ny fanambarana, manoloana ny tsy fahazoan’ny kianja ny fankatoavana (homologation) avy amin’ny Confédération Africaine de Football (CAF), izay efa niandrasana fatratra. Tsy tontosa ny sabotsy teo nyfamindrana ny fitantanana, izay voatondro hatramin’ny faran’ny volana desambra. Tsy nisy mpandray, tsy nisy valiny, hoy io orinasa io. Nandritra ny adiny roa niandrasana teo an-toerana, dia voatery niala ny ekipa. Io fahanginana io, hoy ny Garden & Design, dia mamintina ny fomba nikarakarana ity raharaha ity. Nandritra ny roa taona sy tapany, milaza ny ny Garden & Design fa nanokana ny fahaiza-manaony, ny ekipany ary ny fitaovany mba hanomanana ny kianja hahazo fankatoavana avy amin’ny CAF. Nisy fifandraisana mivantana sy fifanakalozana ara-teknika tamin’ireo tompon’andraikitra, ary efa nisy fanatsarana natao mba hanamafisana ny fahafahan’ny kianja voajanahary hahazo fankatoavana. Milaza ity orinasa ity, fa ny fanapahan-kevitra hanolo ny bozaka voajanahary ho “hybride” no nahatonga fisalasalana sy fanoherana. Araka ny fanazavan’ny Garden & Design, ny bozaka “hybride” dia mitaky vola fara-fahakeliny 6 miliara ariary ny fametrahana azy, ary sarotra kokoa ny fikarakarana azy satria miankina amin’ny mpandraharaha manokana avy any ivelany. Raha ampitahaina, io vola io dia mitovy amin’ny fikarakarana bozaka voajanahary mandritra ny roapolo taona mahery, hoy izy ireo. Na dia ny mpandinika avy amin’ny CAF aza, izay nifandray tamin’ny ekipa hatrany aza, dia naneho fahagagany manoloana izany safidy izany, hoy ny Garden & Design. Ity tetikasa ity, hoy ny Garden & Design, dia nanasongadina olana miverimberina: Fanapahan-kevitra tsy ampy dinika, fanankinana andraikitra amin’ny olona tsy manana traikefa, fametrahana hevitra tsy misy fahalalana ara-teknika. “Ny fananana hevitra dia tsy midika ho fahaizana ny fanatontosana azy. Ny fananana fahefana dia tsy mahasolo ny fahalalana, ny traikefa, na ny fahaizana,” hoy ny fanambarana. Manomboka eto, tsy tompon’andraikitra ara-teknika na ara-materialy intsony ny Garden & Design amin’ny kianjan’ny Barea. Na izany aza, milaza ho mirehareha amin’ny vokatra natolony ny orinasa, ary maneho fankasitrahana manokana ho an’ireo mpiara-miasa. Asa inona no holazain’ny Federasionin’ny baolina kitra ? Ny teo anivon’ny Minisiteram-panjakana misahana ny tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana tao anatin’ny Fanjakana Rajoelina ? Nanao ahoana ihany koa ny fifanarahana tamin’ny fikarakarana azy io ?Ny fanapahan-kevitra sy fanatsarana horaisina taorian’ny olana ?
Toky R

 

Dans la même rubrique