airtel

Sport

05-août-2026

Jeux Nationaux

du Sport Scolaire Mpianatra miisa 2.000 no

Sample post image

handray anjara

05-août-2026

Hotanterahina any Mahajanga amin'ity taona 2026 ity ny Jeux Nationaux du Sport Scolaire na ny JNSS 2026. Hanomboka ny datin'ny 10 Aogositra ho avy izao no hanatontosana izany haharitra 06 andro. Soma mavaraka ny loha-hevitra nampitondraina ny hetsika. Mpianatra 14 hatramin'ny 17 taona manodidina ny 2 000 avy amin'ny faritra 23 no hiara-handray anjara amin'izany ka hampiavaka sy hampisongadina ny amin’ity andiany ity ny fandraisana anjaran’ireo mpianatra manana fahasembanana, raha araka ny fanazavan'ny tompon'andraikitra. Tanjona ny hanamafisana ny fanatanjahantena an-tsekoly ho fitaovana fanabeazana, fanandratana ny talenta ary hampiroboroboana ny firaisankiana sy ny fitiavan-tanindrazana. Hiarahan'ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny Minisiteran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana Arak’Asa ary ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena MJS manatanteraka ny hetsika.
Pati
Légende : Nitafa tamin'ny mpanao gazety ireo mpikarakara omaly !
 

Dans la même rubrique

06-août-2026

Nandresy tamin'ny mokafoy 68-65

Card image cap