Mbola olana mitoetra mandrak’ankehitriny ny tsy fahazoan’ny Kianjan’i Mahamasina fankatoavana na « homologation ». Efa manakaiky indray anefa ny fotoana hjverenan’ireo lalaon’ny ekipam-pirenena ho an’ny fifanintsanan’ny CAN 2027. Nilaza ny eo anivon'ny Minisiteran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena fa mbola ao anatin'ny fijerena ireo lalana rehetra hahafahana manatsara ny bozaka eo amin'ny kianjaben'i Mahamasina izy ireo amin'izao fotoana izao. Nambara ho manana tombony kokoa ny fampiasana kianja misy bozaka "hybride" sy artifisialy miohatra amin'ny bozaka natoraly ary ankatoavin'ireo sehatra ambony eo anivon'ny CAF sy ny FIFA. Raha mandray ohatra amin’ireo kianja malaza any ivelany, dia ny « hybrid turf » no be mpampiasa, io izay ahitana bozaka voajanahary miaraka amin’ny fibre artifisialy voafangaro ao amin’ny tany (toy ny Desso GrassMaster, SISGrass). Isan’ny mampiasa izany ireo kianja lehibe sy malaza toa ny Camp Nou, Old Trafford, Allianz Arena, Stade de France,… Manome endrika voajanahary sy faharetana io. Tsara ny manamarika, fa isan’ny olana ho an’ny kianjan’i Mahamasina ny fikojakojana indrindra eo amin’ny lafiny ara-bola hatreto. Ny volana janoary 2026 teo no niala ny orinasa iray niantsoroka izany, ka tsy fantatra ny tohiny nanomboka teo. Andrasana araka izany izay tena fanapahan-kevitra mahomby, sy ahitam-bokatra mivaingana, mba hahafahan'ny ekipam-pirenena malagasy milalao eto an-tanindrazana. Irariana mba tsy hijanona ho fampanantenana poakaty sy fandanim-bola tsy mahomby toy ny nataon'ny fitondrana Rajoelina. Andrasana ny asa sy ny vokatra, ka isan’ny maika indrindra ny fahazoana ny fankatoavan'ny CAF ny kianja.
Toky R