airtel

Sport

16-mars-2026

Kintan'ny Kitra Malagasy

Nodimandry i Dezy Ramasy

Sample post image

Lavo ny andrarezina. Nodimandry Rakotondramasy Désiré

16-mars-2026

na Dezy Ramasy, anarana nahafantarana azy teo amin'ny sehatry ny baolina kitra. Nanao fampahafantarana izao fahalasanany izao tao amin'ny pejiny, omaly, ny Federasiona Malagasy ny baolina kitra. Kitan'ny baolina kitra malagasy fahiny i Dezy Ramasy. Mpilalao tao amin'ny Fortior de la Côte Ouest na FCO Mahajanga izy ary isan'ireo nandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy faha Club M ihany koa. Elatra havia no toerana tena nahafantarana azy sy ilay dakabe mandrivorivo. Izy no lasa, fa ny lazany sy zava-bitany raketin'ny tantara.
Jean D.
Dezy Ramasy, isany nanoratra tantara tamin'ny baolina kitra malagasy
 

Dans la même rubrique