i Etazonia sy Espagne
Nanoratra tantara indray ny Malagasy ! Nahazo fandresena manan-tantara ny ekipam-pirenena malagasy Makis Ladies, taranja rugby à 7 sokajy latsaky ny 18 taona, tamin’ny lalao voalohany natrehiny teo amin’ny Lalao Olympikan’ny Tanora (Jeux Olympiques de la Jeunesse – JOJ) Dakar 2026, izay tanterahina any Sénégal. Lavon’ny Makis Ladies tamin’ny isa 12 noho 10 i Etazonia, fandresena lehibe ho an'i Madagasikara. Lalao nifandanja sy tena nifanaovana ny fifandonana teo amin’ny Makis Ladies sy ny ekipam-pirenena amerikanina. Efa nitarika tamin’ny isa 7 noho 5 ny Malagasy teo am-pialantsasatra, taorian’ny fizaram-potoana voalohany. Tsy nionona tamin’izany anefa ny Makis Ladies, fa nanohy ny ezaka sy ny ady hatramin’ny farany, ka nahavita nitazona ny tombony ary nandresy tamin’ny isa 12 noho 10. Tsy nijanona teo, mbola nibata fandresena lehibe ihany koa ny Makis Ladies nanoloana an'i Espagne izay lavontsika 19-12 ihany koa ry zareo Espaniola tamin'ny lalao faharoa, izay maneho fa isan'ny ekipa sangany ao anatin'ny fifaninanana ny Ekipam-pirenena Malagasy. Fandresena lehibe manamarika ny fanombohan’ny dian’ny Makis Ladies amin’ity fifaninanana iraisam-pirenena ity izao, indrindra fa hiatrika ireo ekipam-pirenena hafa mbola miandry azy ireo ny Malagasy. Ny République tchèque indray no hihaona amintsika anio talata 03 novambra 2026 amin'ny 1ora sy 24minitra tolakandro ! Zava-dehibe ny fanombohana, mbola henjana ny ady hatrehana satria fifaninanana no atao, ary maozatra ihany kosa ny ankamaroan’ny mpifandrina. Alefa Makis Ladies ! Alefa Madagasikara !
Toky R