Nijoro ho isan’ireo 11 voalohany teny ambony kianja, raha ny fampitàm-baovao voaray omaly, ho an’ny fifaninànam-pirenena ao Slovenia tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity, ilay mpiandry tsatoby malagasy, Téva Gardies. Ity nihaonan’ny NK Maribor, ekipa misy azy, tamin’ny Olimpija Ljubljana ity, araka izany, no lalao voalohan’i Téva tao anatin’ity taom-pilalaovana ity. Azo lazaina ho namiratra na dia resy tao an-jaridaina tamin’ny isa 0 noho 1 aza ny lehilahy rehefa iverenana ny lalao, hoy ny fanazavàn’ireo mpamakafaka ara-panatanjahantena ao an-toerana. Maromaro ihany ireo baolina nihazo ny mason’araton’ny Maribor no voasakan’ity goliata be malagasy mirefy 1,97m ity. Lasa laharana faharoa aorian’ny Koper, manana isa 26, araka izany, ny NK Maribor, manana isa 24. Faha 3 kosa ny Olimpija Ljubljana, izay vao avy nandresy azy ireo, manana isa 22, taorian’izay andro faha 14 ho an’ny fiadiana izay ho tompondakan’i Slovenie eo amin’ny taranja baolina kitra, divizionina voalohany izay, hoy hatrany ny fampitàm-baovao voaray.
Nangonin’i J. Mirija