airtel

Sport

10-juin-2025

Ligue des nations

Nobatain’i Porugal ny fandresena

Sample post image

Nikatona tanteraka tanteraka ny alahady teo ny “Ligue des Nations 2025”.

10-juin-2025

Norombahin’i Portugal ny amboara, rehefa nandresy an’i Espaina tamin’ny tifitra penalty (5-4) ry Cristiano Ronaldo, taorian’ny ady sahala 2-2 hatramin’ny fanalavam-potoana tany amin’ny kianja Allianz Arena tao Munich. Nitarika indroa i Espaina noho ny baolina matin’i Martín Zubimendi sy Mikel Oyarzabal, saingy nahavita nanasahala ny isa in-droa i Portugal tamin’ny alalan’ny baolina matin’i Nuno Mendes sy Cristiano Ronaldo, izay nahatratra ny baolina faha-138 niarahana tamin’ny ekipam-pirenen’i Portugal. Tamin’ny tifitra penaltý, Voasakan’i Diogo Costa ny dakan’i Álvaro Morata mpilalaon’ny Real Madrid teo aloha ary milalao ao amin’ny Athletico Madrid, raha Rúben Neves kosa no namono ilay baolina farany nanome ny fandresena an’i Portugal. Nametraka an’i Portugal ho firenena voalohany nahazo in-droa ny « Ligue des nations » ity fandresena ity satria izy ireo no nibata ny andiany voalohany 6 taona lasa izay. Votsotra teo an-tanan’i Espagne izay tompondaka farany mazava ho azy ny anaram-boninahitra. Misy ireo mpitia kitra Espaniola somary manakiana ny mpanazatra teo amin’ny fandaharana ireo mpilalao, fa voakiana mafy ihany koa i Morata iza tsy vao sambany tsy nahafaty « tirs au but » tahaka izao ho an’ny ekipam-pirenena Espaniola. «Morata dia mpanohana ny Real de Madrid ka tsy hamela mihitsy an’i Lamine Yamal hahazo ballon d’or », hoy kosa i Zlatan Imbrahimovic mpilalaon’ny Barcelone sy PSG fahiny. Somary nampihena ny herijakan’i Lamine Yamal amin’ny hazakazaky ny « Ballon d’or 2025 » ny faharesen’i Espagne tamin’ny famaranan’ny Ligue des Nations. Andaniny, nampitombo ny lisitry ny anaram-boninahitra azon’i Cristiano Ronaldo izay efa 40 taona ankehitriny, izay nahazo « Ligue des nations » roa sy ny Euro 2016. Nuno Mendes vao avy nibatana ny Ligues des champions farany teo kosa no voafidy ho mpilalao mendrika indrindra tamin’ilay lalao, noho ny zava-bitany miavaka: baolina iray, “passe décisive” iray, ary tifitra penaltý tafiditra, ankoatra ny nahavitany nitazona an’i Lamine Yamal. Ho an’ny fiadiana ny laharana fahatelo, dia marihina fa nandresy mazava 2-0 an’i Allemagne tamin’ny alalan’ny baolina matin’i Mbappé sy Olissé izay mpilalaon’ny Bayern Munich ny Frantsay.
Toky R

 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Na tamin’ny fotoana nitondràny ny ekipam-pirenena zokiny (Barea A)

Card image cap
13-juin-2025

Azo lazaina ho efa mipetraka ho reharehan’ny baolina kitra afrikanina na hoe

Card image cap
12-juin-2025

Afaka ny fitaintanana ho an’ny ekipam-pirenena Malagasy, Barea A’

Card image cap
12-juin-2025

Nahazo fankasitrahana manokana i RANDRIAMORASATA Ravaka,

Card image cap