airtel

Sport

11-juin-2026

Mondial 2026

Hanakoako eran-tany manomboka anio

Sample post image

Ho tantara vaovao eo amin’ny

11-juin-2026

baolina kitra maneran-tany ny "Mondial 2026", edisiona voalohany iarahan’i Etazonia, Kanada ary Meksika mampiantrano. Hanomboka anio 11 Jona ary hifarana ny 19 Jolay 2026 izy, ka ny kianja Estadio Azteca ao Mexico City no hanokafana ny lalao voalohany hifanandrinan'i Meksika sy Afrika Atsimo, amin'ny 10 Ora alina, Ora Malagasy. Ny famaranana kosa dia hatao ao MetLife Stadium, New Jersey. Ity no ho fifaninanana lehibe indrindra hatramin’izay, ahitana ekipa 48 avy amin’ny kaontinanta enina sy lalao 104, mihoatra lavitra noho ny endrika taloha. Hisy lanonam-panokafana telo samihafa any Mexico City, Toronto ary New York, ary efa voatondro ny hira ofisialy “Dai Dai” izay hirain’i Shakira sy Burna Boy. Hatreto, lalao 44 no handeha amin'ny fahitalavitra nasionaly TVM.
FIRENENA 9 HIADY HO AN'I AFRIKA
Ny fitsinjarana ny ekipa dia manome toerana 16 ho an’i Eoropa, 9 ho an’i Afrika, 9 ho an’i Azia, 6 ho an’i Amerika Avaratra sy Afovoany, 6 ho an’i Amerika Atsimo ary 1 ho an’i Oseania. Midika izany fa hisy firenena vaovao toy ny Uzbekistan, Curaçao, Jordan ary Cape Verde hiditra voalohany amin’ny sehatra lehibe. Ny ekipa malaza toa an’i Argentine tompondaka farany, Espagne,Frantsa, Allemagne, Portugal, Brésil dia mbola isan'ny be mpanantena fa ho lohalaharana amin’ny ady ho tompondaka, saingy ny fisian’ireo ekipa vaovao sy ny fanitarana ny isan’ny mpandray anjara dia hanome endrika vaovao sy tantara tsy ampoizina amin’ity Mondial 2026 ity. Mbola mandindona eo ry Pays-Bas, Belgique, Angleterre,... fa isan'ny misongadina sy mametraka fanamby goavana i Maroc isan'ny solontena Afrikanina izay vao niakatra eo amin'ny laharana faha-7 maneran-tany. Tsy azo ambaniana, ary antenaina hitondra vokatra tsara ireo solontenan'i Afrika ahitana an'i Maroc, Algérie, Côte d'Ivoire, Sénégal, Egypte, Tunisie, RD Congo, Ghana, Cap Vert
TETI-BIDY SY TAMBERINY ARA-TOEKARENA
Ny teti-bidin’ny fanomanana sy fampiantranoana dia tombanana ho eo anelanelan’ny 14 ka hatramin’ny 16 miliara dolara amerikana, izay ahitana fanavaozana kianja, rafitra fitaterana ary teknolojia vaovao. Ny fidiram-bola kosa dia antenaina hahatratra mihoatra ny 11 miliara dolara amin’ny tapakila, zon’ny fahitalavitra ary dokam-barotra. Ny vahiny andrasana dia tombanana ho 5 ka hatramin’ny 6 tapitrisa mpijery mivantana mandritra ny 39 andro, ary mihoatra ny 5 miliara mpijery amin’ny fahitalavitra sy "streaming" maneran-tany.
Toky R
 

Dans la même rubrique