airtel

Sport

03-sept-2025

Nety ho an’ny malagasy ny tsenan’ny CHAN

Liana amin’i Fenohasina koa ny Paradou AC sy Young Africans

Sample post image

Azo lazaina ho nety ho an’ny malagasy ny tsenan’ny amboaran’i Afrika

03-sept-2025

eo amin’ny taranja baolina kitra na CHAN rehefa mijery ny tohin’ny tantaran’ireo boay kelin’ny ekipam-pirenentsika na ny Barea taorian’iny CHAN 2025 farany teo iny. Nahazo fifanarahana hilalao any amin’ny Paradou AC, divizionina voalohany ao Alzeria i Lalaina na i Jaina, izay lohalaharana malagasy. Ifandrombahana klioba eoropeanina sy aziatika, indrindra, afrikanina i Nicolas, izay isan’ireo rindrina niaro ny harato malagasy tsy hikobana tao anilan’i Toldo tao. Raha ny vaovao voaray omaly koa dia fantatra fa liana amin’i Fenohasina Gilles Razafimaro koa ny Paradou AC, ilay klioba ao Alzeria voalaza teo, sy ny Young Africans, divizionina voalohany atsy Tanzania. Azo lazaina ho efa mifarana nefa moa ny fotoam-pamindràna mpilalao na «mercato» saingy na izany aza dia voalaza ho mbola mitady fomba hafa hamindràna an’i Fenohasina ao amin’izy ireo ny Paradou AC.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique