airtel

Sport

15-juin-2021

Sport

Siteny Andrianasoloniaiko “Tsy fandreseko irery izao fa fandresen’ny Malagasy”

Sample post image

Nigadona an-tanindrazana omaly tetsy amin’ny seranam-piaramanidina Ivato Atoa Siteny Andrianasoloniaiko,

15-juin-2021

 

 

 izay vao avy voafidy ho Filohan’ny UAJ (Union Africaine de Judo) tany Dakar Sénégal ny 18 mey teo, ary mbola voafidy ho Filoha Lefitry ny Federasionina Iraisam-pirenena tany Budapest Hongrie ny 03 jona. “Tsy fandreseko irery na fandresen’ny Judo no nahalany ahy, fa fandresen’ny Malagasy rehetra. Manana ho avy tsara ny fanatanjahantena Malagasy rehefa misy Malagsy lany ao anatin’ny fitantanana ny kaonfederasionina Afrikanina”, hoy I Siteny Andrianasoloniaiko. Noraisiny ho ohatra ny fahombiazan’ny Barean’I Madagasikara, izay teo ny fahaizan’ny mpilalao, mpitantana, ny ezaka samihafa, saingy nambarany ihany koa fa nisy dian-tànan’ny Filohan’ny CAF teo aloha Ahmad. Notsipihiny kosa fa tokony hojerena ny taranja rehetra eo amin’ny lafiny fotodrafitrasa sy ny ara-bola, ka isan’ny nitondrany fanamarihana manokana ny resaka kianja ho an’ny baolina kitra izay tena hihazakazahana tokoa ankehitriny. Nilaza hamorona “zone” maromaro aty Afrika ho an’ny judo i Siteny ahafahan’ny Atleta Afrikanina mivelatra kokoa amin’ny fifaninanana. Nilaza hanapitra hatramin’ny farany ny fe-potoana hiasany amin’ireo sehatra nahavoafidy azy kosa I Siteny. Ny toerana misy azy dia toerana olom-boafidy: Filohan’ny Federasionin’ny Judo, Filohan’ny Kaonfederasionina Afrikanina, Filoha lefitry ny federasionina iraisam-pirenena, Filohan’ny Komity olympika Malagasy, solombavambahoaka, izay zavatra saropady nametrahako fanamby tamin’ireo mpifidy, ka tsy maintsy vitainy hatramin’ny farany, raha ny nambarany.

 Toky R

Dans la même rubrique

08-mai-2024

Tsy afa-bela! Tapitra teo amin’ny dingana manasa-dàlana indray aloha ny nofinofin’ny Paris Saint-Germain

Card image cap
08-mai-2024

Tsy misy maha Amboaran'i Madagasikara intsony satria mbola nomena tombony ireo ekipa amin'ny Pure Play

Card image cap
07-mai-2024

Afaka mahavita zavatra, ary tena afaka mifampitana sy mandresy ny vazaha ny Malagasy amin’ny hazakazaka

Card image cap
07-mai-2024

ny 3 jona izao isika no hihaona amin’ny Kaomoro, izany hoe 1 volana latsaka sisa,

Card image cap