fiahian’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, dia anisan’ny manamarika manokana ity volana ity ny zava-bitan’ireo ankizy malagasy tia baolina kitra, izay naseho tao anatin’ny fifaninanana iraisam-pirenena « Mondial des Pupilles Plomelin » natao tany Bretagne, Frantsa, nanomboka ny 9 may ka hatramin’ny 1 jona 2025, hoy ny fampitam-baovao voaray ny sabotsy teo. Nisolo tena an’i Madagasikara tamin’ity fifaninanana ho an’ny katita kely latsaky ny 13 taona ity ny FC Nisi sy ny Ajesaia. Fanintelony izao no nandray anjara tamin’izany ny FC Nisi, izay niorina ny taona 2019. Tamin’ity andiany ity dia miisa 64 ny klioba niatrika ny fifaninanana ka nahazo ny laharana faha 39 ny FC Nisi ary nahazo amboara miisa 4. Isany ny amboaran’ny «Fair-play» ary ny mpiandry tsatoby nahatafidirana baolina kely indrindra. Nandresy an’i Brésil tamin’ny isa 2 noho 1 izahay, hoy Rabearivelo Tom Hariniaina, mpilalao afovoany. Isan’ny tena nahafahana nandresy azy ireo, hoy izy, ny herintsaina ambony ary ny firaisankinan’ny ekipa. Mila ezaka manokana ny fanamafisana ny hery ara-batana. 16 no isan’ny ankizy tao amin’ny klioba, izay nahazo tombontsoa goavana nijery akaiky ny fotodrafitrasa any ivelany sy niaina lalao iraisampirenena. Maro ireo «recruteur» na mpizaha mpilalao avy any ivelany nanatrika ny fifaninanana ka antenaina, noho izany, ny fisian’ny fifantenan’izy ireo ireto taninketsan’ny baolina kitra malagasy ireto ary inoana fa hitondra fampandrosoana ho azy ireo koa ity tompondaka erantany ho an’ny katita kely ity, raha ny fampitam-baovao hatrany.
Nangonin’i J. Mirija
Na tamin’ny fotoana nitondràny ny ekipam-pirenena zokiny (Barea A)
Azo lazaina ho efa mipetraka ho reharehan’ny baolina kitra afrikanina na hoe
Afaka ny fitaintanana ho an’ny ekipam-pirenena Malagasy, Barea A’
Nahazo fankasitrahana manokana i RANDRIAMORASATA Ravaka,