airtel

Sport

10-juin-2025

Tsaratsara ny Barea Cosafa, montsana ny ekipa A

Fositra hatrany ny mpitantana tsy manjary

Sample post image

Azo lazaina ho tsaratsara ny vokatra ho an'ny Barea Cosafa izay

10-juin-2025

nandresy 1-0 an’i Tanzanie ny sabotsy teo, ary nanao ady sahala 1-1 tamin'i Eswastini omaly, izay somary nandiso fanantenana. Baolina matin'i Toky no nitondra fandresena ho antsika tamin'ny voalohany, raha toa ka tsindry na "pression" tao amin'i Dax nandatsaka ho an'ny lohalahana no nahahafan'i Lalaina (41') namono baolina ho an'ny Barea Cosafa tarihin'i Romuald Rakotondraibe, saingy voasahala tamin'ny alalan'ny "coup franc" tsara petraka (61'). Laharana voalohany vonjimaika ho an'ny Vondrona C isika, saingy miandry ny lalao faran'i Tanzanie sy Eswastini no ahitana izay ho tafita amin'ny manasa-dalana. Andaniny, montsan’i RD Congo tamin’ny isa mavesatra 3-1 indray ny Barea A ny alahady teo, nandritra ny lalao ara-pirahalahiana notanterahana tany Orléans France. Lalao fanomanana ny fiadiana ny tapakila hiakarana amin’ny « Mondial 2026 », izay eo amin’ny laharana faha-3 amin’ny alalan’ny isa 10 isika hatreto, raha manana isa 15 i Ghana ary 12 i Comores. Betsaka ny lesoka sy olana, tsy nahavita tena nametraka rindran-damina tamin’ny fanafihana, tsy nahomby ny fiarovan-tena,... Nitarika 3-0 ny mpifanandrina ary efa minitra fanampiny taorian'ny 90 minitra no nahafaty baolina iray i El Hadary. Teo ny lesoka ankampobeny teny ambony kianja, fa tsy azo hamaivanina ny lonilony sy tsy fahaiza-mitantana miantraika amin’ny Barea. Niaraha-nahalala ny olana lehibe izay sady miteraka fahafaham-baraka, dia ny nialan’ireo mpilalao sasany an-daharana tao anatin’ny fampivondronana, ankoatra ny tsy fahatongavan’ireo sasany heverina fa andrin’ny ekipam-pirenena. Voalaza fa tsy naloan’ny mpitantana hatramin’izao ny « primes » tokony hositrahan’ny mpilalao. Tsy nisy fanazavana ofisialy avy amin’ny mpitantana, ary tsy vao izao no nisy olana sy lonilony tahaka izao izay matetika aza nentina nanimbana sy nanaovana fahirano mpilalao, toy ny olana tamin’ny vola tokony hositrahan’ny mpilalao rehefa nahazo laharana fahatelo tamin’ny Cosafa cup nialohan’izao tanterahana any Afrika Atsimo izao. Ampahany amin’ny olana ireny ! Baolina kitra inona no handeha amin’izany ?
Toky R 

Dans la même rubrique