airtel

Actualités

03-avril-2023

10 taonan’ny Kolo TV

FM « Isan’ny fotoan-tsarotra nandalovana ny fanakatonana »

Sample post image

Feno 10 taona katroka ny 31 martsa teo ny haino aman-jery rahavavy Kolo TV/FM ary nanamarika izany tetsy Antanimena ny zoma hariva teo.

03-avril-2023

Haino aman-jery efa nandalo foton-tsarotra sy sedra ny KoloTV/FM sy ny Kprod, hoy ny fampahatsiahivana. Isany ny fanakatonana azy saingy mbola izao nahatratra ny faha 10 taonany izao ary mbola mikendry ny handeha lavitra kokoa miaraka amin'ny fahaiza-manao sy ny fivoaran'ny teknolojia ary ny fiofanana, hoy ireo lahateny nifandimbiasana. Nambaran'ny tale jeneraly, Andriantsarafara Mija, fa nanana tetikasa izy ireo tany am-piandohana ary nanana fahasahiana tao anatin'ny fotoana tsy nilamina ny hanitarana any amin'ny faritra ity haino aman-jery ity. Tanteraka izany izao amin'ireo fandaharana arahan'ny maro isan’andro, any anaty fiara sy any am-piasana hatrany ambanivohitra rehetra any. Hatrany ivelany noho ny teknolojia, hoy izy. Nampahatsiahy ny anton'ny anarana Kolo kosa ny filoha tale jeneraly, Andrianainarivelo Hajo, ka nambarany fa nofidiana izany ho fampiroboroboana ny kolontsaina malagasy sy ny fanasongadinana ny vokatra eto an-toerana. Nanteriny fa natao ahafantarana kokoa ny kolontsain'ny faritra ny fanitarana natao. Nankasitrahana tamin'io fotoana io moa ireo mpiara-miasa amin'ity haino aman-jery sy ireo mpiasa miasa 8 mianadahy naharitra 10 taona ka nosalorana medaly.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

02-juin-2025

Teo anatrehan’ny fiakaran’ny vidin’ny entona fandrehitra (gaz butane),

Card image cap
02-juin-2025

DELESTAZY ANY AMIN'NY RN1 Ahiana hitroatra ny vahoaka, ora 8 isan'andro raha kely

Card image cap
02-juin-2025

Miha sahirana indray ny SMA (Société Municipale d’Assainissement) amin’ny

Card image cap
02-juin-2025

Aina miisa telobe izao no indray nafoy tany amin'ny Fokontany Mahambolona,

Card image cap
02-juin-2025

Manahy ny ho tapaka rano koa ireo mponina etsy amin'ny Fokontany 67 Ha Avaratra Andrefana,

Card image cap
02-juin-2025

Efa 45 taona ny nijoroana sy nanaovana fanentanana mikasika ny ady

Card image cap