airtel

Actualités

02-mars-2026

Adin'ny amerikanina

sy israelianina amin'ny iranianina

Sample post image

Hanova ny jeopolitika, mety ho tombony ho an'i Madagasikara

02-mars-2026

Hatramin'ny nampipoaka ny ady teo amin'i Rosia sy Okrainianina, 5 taona lasa izay, no efa niova tsikelikely ny fifandraisana iraisampirenena sy manerantany. Raha iverenana ny ankapoben'ny fiovan-drafitra hitan'ireo mpandinika izay raharaha iraisampirenena izay dia nihena ny hery na "véto" teo amin'ireo firenen-dehibe tandrefana toy ny amerikanina, frantsay, britanika sy ireo vondrona iraisampirenena nanome vahana ny demokrasia tandrefana tahaka ny Vondrona eoropeanina sy ny firenena mikambana. Miha miditra amin'ny fifandraisana samy mahazo na "win win", misy miantso azy koa hoe "relations tripolaires", izany hoe, fifandraisana tsy manavaka amin'izao fotoana izao tontolo izao. Tsy voafehin'ny tandrefana irery intsony ny toekarem-pirenena fa na ny arabo aza efa tsy manaiky ny hividianana ny solitaniny amin'ny Dolara intsony, ohatra, fa aminy volany ao an-toerana dia ny Riyal izany. Isika malagasy moa izany io mikasa ny hiara-hiasa amin'ny rosianina sy sinoa eo amin'izay lafiny izay. Heverina amin'izao fotoana izao fa hanova ny jeopolitika hatrany koa ity adin'ny amerikanina sy israelianina amin'ny iranianina ity saingy mety ho tombony ho an'i Madagasikara manokana ihany koa anefa, raha izao lalana diplaomatika manomboka fidiany izao aloha. Hita ho miha sahirana hatrany amin'izao fotoana izao ireo firenena sy rafitra tandrefana izay hita hatramin'izay fa mangeja ny toekarena aty amin'ny firenena be harena vojanahary toa an'i Madagasikara. Inoana sy antenaina, araka izany, fa hisokatra sy hivelatra kokoa, tsy ho ela, ny tsena iraisampirenena raha ananan'ny fanjakana malagasy ny diplaomasia misaina lavitra noho ny an'ny teo aloha.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

21-avril-2026

Ben'ny tanàna ny Vahoaka

Card image cap
21-avril-2026

10 volana izay no dify taorian’ ny

Card image cap
21-avril-2026

hoy ny ben’ny tanàna

Card image cap
20-avril-2026

amin’ny Fanjakana sy ny PTF

Card image cap
20-avril-2026

ny fanenjehana ny Mopera Pédro

Card image cap