airtel

Actualités

13-déc-2024

ADY AMIN’NY HERISETRA-BFP

Nanohana sy nanarina vehivavy maro manerana ny Nosy

Sample post image

Nifarana omaly Alakamisy 12 Desambra ilay 16 andro niadiana tamin’ny herisetra mifototra

13-déc-2024

amin’ny mahalahy sy mahavavy. Anisan’ny niasa mafy namita ny adidiny tamin’izany ny BFP na ny Brigade Feminine de Proximite nanerana ny Nosy toy ny teto Antananarivo, Antsiranana, Mahajanga, Toamasina, Antsirabe, Fianarantsoa, Manakara, Ihosy, ary Toliara. Raha tsiahivina kely dia 5 taona izay ny BFP no niara-dia tamin’ny Association Fitia tamin'ny ady natao tamin’ny herisetra. Ny tanjona iombonana dia ny hiady amin'ny herisetra sy ny hanohanana ireo izay niharan’izany mba “hanarin-tena”. Manome fampiofanana maimaim-poana ho an'ireo vehivavy niharan'ny herisetra manerana ny Nosy araka izany ny BFP. Mandritra ny roa herinandro eo ho eo, dia fampiofanana mifantoka amin'ny fomba fanarenana ny fiainana sy ny fahaiza-manao ara-toekarena no omen’ny BFP azy ireo toy ny fanamboarana frites , ny famokarana ranom-boankazo , ary ny fitafiana sy ny fanjairana. Nozaaraina fitaovana sy vatsy ihany koa ireo mpiofana hahafahan’izy ireo manomboka tetikasa vaovao eo amin'ny fiainany. Tamin'ny andro voalohany, ny 5 desambra lasa teo tao amin’ny BFP Antsirabe dia vehivavy miisa 15 no nisitraka fitaovana sy vatsy, ka anisan'izany ireo vehivavy avy ao amin'ny fikambanana Aide aux Filles et Femmes en Detresse de Madagascar. Notolorana mari-pahaizana ihany koa izy ireo.
Pati
Legende : Sady mampiofana no mizara fitaovana tahaka izao izy ireo !

 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Nanokatra ny fampiratiana ara-pizahatany ITM (Iternational Tourism Fair) andiany faha-11 ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina omaly.

Card image cap
13-juin-2025

Anisan’ny navoitran’ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly teny amin’ny Antenimierampirenena ny hoe :

Card image cap
13-juin-2025

Renim-pianakaviana iray monina eny Fenoarivo Atsimondrano eny no fantatra

Card image cap
12-juin-2025

Na ny ao amin’ny JIRAMA aza izao izany dia milaza fa hatramin’ny faran’ny taona

Card image cap
12-juin-2025

Manamafy avo roa heny ny fahamailoana ny SAMIFIN izay sampan-draharaha misahana

Card image cap
12-juin-2025

Lany teny anivon'ny Antenimieram-pirenena ny tolo-dalàna miaro manokana ireo varira

Card image cap