airtel

Actualités

16-déc-2024

Aferan-tsolika 2500 miliara Ariarin’ny Jirama

Miandry fanadihadiana parlemantera sy fanenjehana ara-pitsarana…

Sample post image

Tapa-bolana mahery kely eo izay ny nanaboridanan’ny Fitsarana momba ny kaonty na ny Cour des comptes

16-déc-2024

ny afera goavana mikasika ny Jirama, indrindra ny fitantanana ara-tsolika sy ara-bola. Taorian’izay, niantso fandraisana fepetra goavana araka ny lalàna ireo Firaisamonim-pirenena samihafa na ny OSC, ka nisy ny antso niantefa tamin’ireo tompon’andraikitra ara-pitantanana, ara-pitsarana, ny fanadihadiana parlemantera,… Anisan’ny takiana ny hisian’ny drafitra mazava hanonerana ireo halatra samihafa sy hitoriana any amin’ireo rafitra samihafa dia ny Fitsarana, ny Bianco,… mba tsy ho vitavita ho azy sy ho arofanina amin’ny aoriana. Tsaiahivina, fa menaka mavesatra 120 000 litatra sy gazoala 48 000 litatra no tsy hita tao amin’ny Jirama, ka niteraka fatiantoka 734 tapitrisa Ar. Antony ny tsy fisian’ny rindran-damina momba ny famatsiana solika, ny fandavana handray solika satria ratsy ny kalitao, elanelan’ny solika aterina noho ny fenitra iraisam-pirenena, ny fanodinana eny an-dalana, ny fahatarana izay misy toy ny hoe :18 andro avy etsy Ankorondrano makeny Ambohimanambola, ny hosoka amin’ny taratasy fandraisana solika, ny halatra sy fanovana kalitaon’ny solika izay miteraka fahasimban’ny milin’ireo mpamokatra izay ny jirama ihany no mandoa azy. Tsy mitovy ny tahirin-tsolika voarakitry ny Jirama sy ireo mpamokatra tsy miankina vatsian’ny Jirama. Nisy tahirin-tsolika 19 tapitrisa litatra teny amin’ny mpamokatra iray eny Ambohimanambola tsy hita voasoratra tao amin’ny Jirama nefa izy no mamatsy, nisy 3 tapitrisa teny amin’ny mpamokatra hafa teny Ambohimanambola. Araka ny tatitra tamin’izany hatrany, dia nahatratra 19 tapitrisa litatra ny fandaniana nihoatra noho ny fahanterah’ny milina, izay niteraka fatiantoka 94 tapitrisa Ar. Tafakatra 2584 miliara Ar ny trosan-tsolika tsy voalohan’ny Jirama ny 2022. Tsy mitsaha-miakatra ny solika ka tsy araky ny Jirama intsony ny fidivianana solika satria nahatratra 143% ny fiakarany tao anatin’ny 3 taona sy tapany. Ambony ihany koa anefa ny vidiny hividianany azy satria « réquisition » no hakana azy noho ny tsy faneken’ireo orinasan-tsolika hivarotra aminy noho ny trosa tsy voaloa,… Hivalona sy ho vitavita ho azy ny afera ka hitohy ny fanaovana tantely afa-drakotra ? Ny vahoaka hatrany no hampizakaina ny zava-doza ara-pitantanana sy ny kolikoly avo lenta maro ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Nanokatra ny fampiratiana ara-pizahatany ITM (Iternational Tourism Fair) andiany faha-11 ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina omaly.

Card image cap
13-juin-2025

Anisan’ny navoitran’ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly teny amin’ny Antenimierampirenena ny hoe :

Card image cap
13-juin-2025

Renim-pianakaviana iray monina eny Fenoarivo Atsimondrano eny no fantatra

Card image cap
12-juin-2025

Na ny ao amin’ny JIRAMA aza izao izany dia milaza fa hatramin’ny faran’ny taona

Card image cap
12-juin-2025

Manamafy avo roa heny ny fahamailoana ny SAMIFIN izay sampan-draharaha misahana

Card image cap
12-juin-2025

Lany teny anivon'ny Antenimieram-pirenena ny tolo-dalàna miaro manokana ireo varira

Card image cap