concombre de mer » na dingadingana tsy nahazoana alalana milanja eo amin'ny 800 Kg eo no saron'ny mpitandro ny filaminana tamin'ny lalam-pirenena faha-6 omaly alakamisy 09 Janoary 2025, nanodidina tamin'ny 01 ora mahery. Voalaza fa fiaran’ny depiotenan'Analalava, teo aloha, Djaosera Irénée ity tratra ity. Nisy mihitsy aza ny filazana fa izy sy ny mpamily iray namany mipetraka ao Antsohihy no tratra izao niaraka amin`ny fiara, saingy andrasana ny tatitra ofisialin’ny manam-pahefana. Nisy kosa ny filazana fa tsy manana taratasy fahazoan-dalana hitatitra ireo dingadingana izy ireo. Efa notazomina ao tobin'ny Zandary ao Antsohihy ny fiara sy ireo dingadingana ireo. Andrasana ny tohiny. Ny 23 desambra no nisiana fahatrarana depiote am-perin’asa niaraka tamin’ny sokatra marobe teny Antehiroka, ary ity indray dia depiote teo aloha no voasaringotra amina afera maloto.
Toky R
Toerana maro teto Antananarivo no nahitana rotaka vokatry ny fahatezeram-bahoaka
Tsy tomponandraikitra mivantana amin’ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy ny minisitry
Hifamotoana eny amin'ny Park Sisaony Ambatofotsy, distrikan’Andramasina,
Nikoropaka nanao Filankevitry ny Minisitra manokana andro sabotsy ny Fanjakana Rajoelina ny 14 jona teo.
Iray tamin’ireo mpandray anjaran’ny SIAE (Salon International des Acteurs Economiques)
Mbola tafiditra anatin’ny Firenena izay mbola sarotra ny fikarakarana taratasy i Madagasikara.