Hanjavona izany afaka 25 taona, raha ny fihazakazaky ny fahasimban'ny ala, indrindra raha tsy misy fepetra entitra hanatsaharana izany, araka ny tatitra nentin’ny fampahalalam-baovao iray omaly. Manoloana izany dia miray hina, miara-manameloka ny fahamaizana sy ny fanimbana tontolo iainana amin'ny endriny rehetra ny fikambanan'ireo ''Tours Opérateurs'' eto Madagasikara. Nanolotra soso-kevitra izy ireo toy ny tokony hanasiana polisin'ny ala isaky ny faritra arovana mba hahafahana manena ny afo manerana ny nosy. Hatsangana koa ny sehatra hifanakalozana hijerena vahaolana maharitra manoloana ny tranga misy eto amin'ny firenena. Misy koa ny tetikasa hafa iarahana amin'ireo mpiara-miombonantoka miankina sy tsy miankina amin'ny fanjakana, hoy hatrany ny tatitra. Nambara fa mampiditra vola betsaka ao amin'ny kitapom-bolampanjakana ny sehatry ny Fizahantany, ary fototry ny asan'ny olona maro eto amin'ny firenena. Tsy ny mpitari-dia ihany, tsy ny mpanao hotely ihany, fa maro tsy tambo isaina ny voakasik'izany, ka manentana ny tsirairay avy mba tena hiaro ny tontolo iainana indrindra ireo ala sy ireo faritra arovana izay tena mampiavaka antsika sy mahasarika mpizahatany maro, hoy hatrany ny fanentanana.
Nangonin’i Toky R
Toerana maro teto Antananarivo no nahitana rotaka vokatry ny fahatezeram-bahoaka
Tsy tomponandraikitra mivantana amin’ny JIRAMA na Jiro sy rano malagasy ny minisitry
Hifamotoana eny amin'ny Park Sisaony Ambatofotsy, distrikan’Andramasina,
Nikoropaka nanao Filankevitry ny Minisitra manokana andro sabotsy ny Fanjakana Rajoelina ny 14 jona teo.
Iray tamin’ireo mpandray anjaran’ny SIAE (Salon International des Acteurs Economiques)
Mbola tafiditra anatin’ny Firenena izay mbola sarotra ny fikarakarana taratasy i Madagasikara.