airtel

Actualités

04-avril-2023

Actualités

Ambanja sy Nosy be Hahazo « Complexe de Pêche » ireo mpanjono

Sample post image

Hatsangana ao amin’ny distrikan’Ambanja sy Nosy be Faritra DIANA ny « Complexe de Pêche » izay foto-drafitrasa tanterahin'ny Ministeran’ny jono sy ny toekarena manga amin'ny alalan'ny tetikasa SWIOFish2

04-avril-2023

vatsian'ny Banky Iraisam-pirenena vola ho fanampiana ireo vahoaka sy ireo mpanjono ao an-toerana.Tafiditra ao anatina tetikasa tanterahina aty amin’ny faritra atsimo andrefan’ny ranomasimbe Indianina izy ity, ka tanjona amin’ny izany ny fanatsarana ny fitantanana ny seha-pihariana jono mba hananana tombony ifampizarana any aoriana.Miainga eo amin’ny faritra misy azy aloha, miitatra amin’ny sehatra nasionaly sny rezionaly avy eo. Ahitana efitrano fivoriana, biraon’ny mpitantana, tahirin-drano, « chambre froide » hitahirizana ny trondro, toeram-panamboarana lagilasy, toeram-pivarotana ity fotodrafitrasa hatsangana ity ary hampiasa herinaratra azo avy amin’ny herin’ny masoandro. Nanamafy moa ny Minisitry ny jono sy ny toekarena manga Mahatante Paubert fa zava-dehibe amin’ny ady amin’ny fahantrana sy ny fahavitan-tena ara-tsakafo ny fisiana fotodrafitrasa tahaka izao, indrindra moa fa faritra faharoa mamokatra trondro be indrindra aorian’i Boeny i Diana.Fanampiana ireo mpanjono amin’ny fanajana ny fenitra amin’ny asa ihany koa ny zavatra tahaka izao hoy hatrany ny minisitra. Ny 3 aprily lasa teo moa no natao ny lanonana fametrahana ny vato fototra amin’ity fananganana « Complexe de Pêche » any Ambanja sy Nosy Be ity
Nangonin’i RTT
 

Dans la même rubrique

19-mai-2025

An-taona maro no efa nilazàna fa zary fasana tetikasa sisa ity Madagasikara ity.

Card image cap
19-mai-2025

Nifamahofaho ny vaovao Toliara ny faran’ny herinandro tao Toliara, teo anatrehan’ny fanasan’ny Fanjakana

Card image cap
19-mai-2025

Mandeha ny resaka amin’ny hampidirana ireo manana trosa amin’ny Jirama mba

Card image cap
19-mai-2025

Manoloana ny zava-mitranga tatoato, resaka zaza very, maty sy ny tariny izay

Card image cap
19-mai-2025

Manoloana ny zava-mitranga tatoato, resaka zaza very, maty sy ny tariny

Card image cap
16-mai-2025

Nanao ny tatitra ampahibemaso momba ny asany tao anatin’ny taona 2024 ny

Card image cap