airtel

Actualités

19-mai-2025

Ataon-dry Rajoelina jono i Kolonely Fanampera !?

« Ataovy alika ny Raiko sy Reniko raha izaho no hanaiky an’io »

Sample post image

Nifamahofaho ny vaovao Toliara ny faran’ny herinandro tao Toliara, teo anatrehan’ny fanasan’ny Fanjakana

19-mai-2025

Rajoelina ny kolonely Rodney Rehosy Fanampera, tamina famoriam-bahoaka tao Ankilimalinika niresahana ny tetikasa Base Toliara. Novoizin’ny seraseram-panjakana sy ny mpanohana azy avy eo, fa resy lahatra sy nanaiky ny tetikasa ity Manamboninahitra malaza tamin’ny Fitondrana Ratsiraka ity. Nolazain’i Andry Rajoelina fa niresaka taminy, nasainy manokana, ary noresena lahatra. Rehefa avy nohelohina 3 taona sazy mihantona hanakombonana ny vavany dia notambazana sy saika atao jono mba haneken’ireo mpanohitra ny tetikasa? « Io lehilahy io no nanavotra ahy tamin’ny 2002 rehefa nenjehina aho. Rehefa nandray fitondrana izy tamin’ny 2009, rehefa niala ny fitondrana teo aloha dia nivoaka aho, nanao fety, ka misaotra azy », hoy i Kolonely Fanampera. Mikasika ny Base Toliara kosa, nahitsy izy nilaza matoa izy ireo manohitra manohitra miaraka amin’ireo vahoaka ireo dia misy antony. « Misy olona manam-pahaizana siantifika momba ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany namoaka taratasy. Ampelantananay io. Nilaza mazava izy ireo hoe: tandremo fa misy fiantraikany sy loza ateraky ny fitrandrahana amintsika olobe. », hoy ity Kolonely ity teo imason-dRajoelina. Ny tena mandreraka amin’ireto olon’ny Base Toliara ireto, hoy izy, rehefa manazava dia taratasy no asaina soniavina,… Milaza fotsiny fa mahasoa io, dia soniavo. Raha hazavainy anefa dia mety ho resy lahatra ireo olona ireo. « Ny zavatra tsapanay dia rebirebena ny vahoaka. Ka miangavy ny Filohan’ny Repoblika ampanaovy tsara ny fanadihadiana amin’ny faharatsian’io na amin’ny lafiny tontolo iainana na ara-tsiantifika. Ohatra amin’izany ny filazana fa tsy mikasika faritra arovana io… Mora ny miteny an’izany. Miala tsiny fa henjana ny teniko. Raha ohatra ka manana lakoro ianao, ka voafefy io dia avy izahay hanao maloto ao. Na tsy anaty faritra arovana aza io, rehefa manodidina azy io manimba azy. Ka aza mandainga isika. », hoy i Kolonely Fanampera. Nitambotsotra, tojo tsy fahasalamana tampoka ity manamboninahitra ity taorian’ny kabariny. Nolalaovina an-tserasera avy eo fa hoe : nanaiky ny tetikasa ity manamboninahitra misotro ronono ity. Nolazaina fa naneho hevitra an-kalalahana ireo manohitra ny tetikasa, ary nanambara an-kalalahana ny antony hanoherana izany. Navoakan’ny serasera ofisialin’ny fitondrana ihany koa fa: “Nifanaraka araka izany ny Filoha Andry Rajoelina sy ireo mponina ao Ankilimaliniky fa hiaraka hiroso amin'ny fanatanterahana ny tetikasa Base Toliara sy amin'ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Nanambara moa ny Filoha Andry Rajoelina fa mbola hiverina hifampiresaka amin'ireo kaominina hafa voakasiky ny tetikasa.” Tena nanaiky ve ny vahoaka ?

“LAHA ALIKA NY BABAKO AMIN-DRO RENIKO RAHA IZAHO NO HANAIKY AN’IO”
“Raha izaho no hanaraka ny Base Toliara, izaho efa nanohitsy io. Laha alika ny babako amin-dro reniko,” hoy ihany i Percy. “Ianareo izay nilaza hoe izaho mankasitraka Base Toliara io, iangaviako ihany koa ianareo hanozona ny tenanareo hoe: laha Fanampera tsy manaraka an’ny Base Toliara, laha alika koa ny babanay amin-dro reninay.” Hoy ny Kolonely Fanampera, namaly mivantana ny fanehoan-kevitr’ireo nilaza fa manohana an’io fitrandrahana io izy: “Taiza aho no nanaraka an’io Base Toliara io? Izaho tsy pour an’ny Base Toliara izany.”, hoy i Kolonely Fanampera. Hoy kosa i Fanampera Percy, zanak’io manamboninahitra io: "Manan-kery ianareo hanery lehilahy 70 taona. Vitanareo ny nampijoro ny tenany, satria ny fahefana ananareo no manome hery hanindry sy hampitahotra ny vahoaka Malagasy. Fa ho fantatrareo izao: tsy ho azonareo velively ny sainy, ny finoany, ny fotokeviny. Ka anala voly tsara ianareo fa mbola avy nampiditra azy am-ponja fanindroany indray ianareo izao. Fantatrao tsara fa tsy havelako hisy haninona ny fianakaviako, indrindra fa ny raiko. Ka manomboka eto, anjaran’ny tantara no hanohy… Fa fantaro tsara: izaho no hanoratra an’io tantara io."


Misy kosa anefa ny feo mandeha any amin’ny Fiadidian’ny Repoblika fa mety hotendrena ho mpanolotsain’ny Filoham-pirenena na loholona i Kolonely Fanampera mba hanekeny ny Base Toliara ? Nanome baiko koa i Rajoelina hamoaka ireo Masikoro 6 nogadraina tany Fianarantsoa ? Terena na rahonana ankolaka mba hanaiky ? Inona no mety hitranga atsy ho aty ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Nanokatra ny fampiratiana ara-pizahatany ITM (Iternational Tourism Fair) andiany faha-11 ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina omaly.

Card image cap
13-juin-2025

Anisan’ny navoitran’ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly teny amin’ny Antenimierampirenena ny hoe :

Card image cap
13-juin-2025

Renim-pianakaviana iray monina eny Fenoarivo Atsimondrano eny no fantatra

Card image cap
12-juin-2025

Na ny ao amin’ny JIRAMA aza izao izany dia milaza fa hatramin’ny faran’ny taona

Card image cap
12-juin-2025

Manamafy avo roa heny ny fahamailoana ny SAMIFIN izay sampan-draharaha misahana

Card image cap
12-juin-2025

Lany teny anivon'ny Antenimieram-pirenena ny tolo-dalàna miaro manokana ireo varira

Card image cap