airtel

Actualités

16-mai-2025

Fiara, trano, kaonty an-jatony maro gejain’ny ARAI

Miova tetika tsy mametraka vola amin’ny banky ireo mpanao kolikoly

Sample post image

Nanao ny tatitra ampahibemaso momba ny asany tao anatin’ny taona 2024 ny

16-mai-2025

Sampan-draharaham-panjakana misahana ny fanagiazana ireo harena azo tamin’ny tsy ara-dalàna na ny ARAI (Agence de Recouvrement des Avoirs Illicites). Ny 13% tamin’ireo voakasika ny raharaha fahazoana harena tsy ara-dalàna sy kolikoly, dia mpiasam-panjakana, 66% avy amin’ny sehatra tsy miankina, ary ny 20% mbola tsy tena voafaritra. Miisa 130 ireo fananana nogiazana, kaonty amin’ny banky 323, ary fitahirizam-bola tamin’ny alalan’ny finday 84. Tao anatin’ireo ny fiara giazana miisa 54, izay misy fiara miisa 18 tsy hita popoka izay toerana misy azy vantany vao mampandre fa hanomboka ny fanadihadihana sy ny fanagiazana ireo rafitra miady amin’ny kolikoly. 8 amin’ireo kosa no mbola karohana. Tombanana ho 583.200.000 Ar kosa ny sandan’ny fiara sy moto miisa 18 giazana (saisis), miampy kaonty avy amin’ny banky hahitana vola mitentina 297.221.957, 70 Ar gejaina (fonds gelés), ary vola mitentina 123.000.000 Ar tombam-bidin’ireo fananana hafa tazonina (biens confisqués), miampy vola 366 055,48Ar (fonds confisqués). Nisy lavanty tsy maintsy natao ka 10 tamin’ny 16 no lafo, izay nitentina 449 500 000Ar. Tamin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany, nisy an’ilay volamena 13kg mahery izay nalefa any amin’ny Banky Foiben’i Madagasikara, Manganèse 250 taonina,… Fiara 30 mitentina 1.350.000.000 Ar sy fiara 5 ary moto 11 kosa no naverina, miampy vola mitentina 591.034.928,01 Ar,… Mifandraika amin’ny kolikoly, fanodinkodinana volam-panjakana, famotsiam-bola, famatsiam-bola ny asa fampihorohoroana ny asan’ny ARAI isan’ireo Sampan-draharaham-panjakana 5 mandrafitra ny rafitra hiadiana amin’ny kolikoly. Nomarihin’ny Tale Jeneraly mpisolo toerana eo anivon’ny ARAI Atoa Rado Rajohnson anefa, fa « tsy araka ny eritreretin’ny rehetra fa miainga avy amin’ny didim-pitsarana sy toromariky ny Fitsarana ny ARAI, fa tsy manao ny antsoina hoe : « saisine d’office » raha misy olona ahiana ho nanao fangoronan-karena tamin’ny tsy ara-dalàna, dia tsy manana fahefana hanokatra fanadihadiana avy hatrany, fa rehefa miteny ny fitsarana hoe : ity gejaina dia manatanteraka ». Ny didy tanterahana dia ny didy avoakan’ny PAC amin’ny ankampobeny. Tsy hoe : any amin’ny fiafaran’ny raharaham-pitsarana, fa vao misy famotorana misokatra dia afaka mandray fepetra manao ny fangejana. Arakaraka ny didy any amin’ny farany na miverina ny fananana raha afaka ilay olona ka tsy ananan’ny Fanjakana vola. Azon’ny ARAI ihany koa anefa no tonga dia manao lavanty ny fananana izay ahiana hihen-danja toy ny fiara, ka raha afaka ilay olona dia ny vola no haverina, ary raha tsy afaka dia mirotsaka any amin’ny Fanjakana ny vola.
LASA TSY MAMETRAKA VOLA AMIN’NY BANKY NY MPANAO KOLIKOLY
Ny janoary-desambra 2023, dia betsaka ny vola voageja tamin’ny Kaonty amin’ny banky. Teo amin’ny 6,9 miliara Ar teo, kanefa aty amin’ny 2024 dia nihena ho teo amin’ny 300 tapitrisa Ar. « Miova tetika ireo mpanao heloka satria efa nisy fifanekem-piaraha-miasa teo amin’ny Fikambanana matihanina amin’ny banky sy ny ARAI, ka lasa tsy mametraka any izy ireo. Lasa manao fampiasam-bola amin’ny zavatra hafa. Raha atao kosa anefa ny fampitahana, tany amin’ny 2023 tsy nisy resaka fangejana tany, fa aty amin’ny 2024 dia mahatratra 38 isa ny trano sy tany. Mahatratra 494 ha ny velaran’ny fangejana, izay vola tsy hita noanoa raha tombanana. Tsy mametraka vola any amin’ny banky ny mpanao kilokoly, ka tsy maintsy karohana sy tadiavina izany », hoy hatrany ny Tale Jeneraly mpisolo toerana Atoa Rado Rajohnson.
Toky R

 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Nanokatra ny fampiratiana ara-pizahatany ITM (Iternational Tourism Fair) andiany faha-11 ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina omaly.

Card image cap
13-juin-2025

Anisan’ny navoitran’ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly teny amin’ny Antenimierampirenena ny hoe :

Card image cap
13-juin-2025

Renim-pianakaviana iray monina eny Fenoarivo Atsimondrano eny no fantatra

Card image cap
12-juin-2025

Na ny ao amin’ny JIRAMA aza izao izany dia milaza fa hatramin’ny faran’ny taona

Card image cap
12-juin-2025

Manamafy avo roa heny ny fahamailoana ny SAMIFIN izay sampan-draharaha misahana

Card image cap
12-juin-2025

Lany teny anivon'ny Antenimieram-pirenena ny tolo-dalàna miaro manokana ireo varira

Card image cap