Mampivarahontsana sy maha lasa saina ny zava-mitranga ankehitriny, hoy ny mpahaifiarahamonina, Gérard Ramamimampionona. Efa nisy, hoy izy, ny fanentanana, fandraisana andraikitra, fisaonana nantenaina ho fiafaràn’ireny loza sy vono olona hafahafa niseho tato ho ato ireny. Sanatria mbola hila fisaonana fanindroany indray ve? Mety misy antony amin’ny lafiny betsaka izao. Mampivarahontsana ny fahaverezam-panahintsika! Very ny fanajàna ny hasina sy mahaolona. Very ny hoe lahy tokana sy sarobidy ny aina ho an’ny malagasy. Very ny tahotra an’Andriamanitra sy ny tsiny sy tody. Na inona anton’io na ara-tsosialy na politika na fitiavana na valifaty na inona dia lasa tsy fantantsika intsony hoe tsy azo sandaina na inona na inona ny ain’olombelona. Tsy azo atakalo, tsy azo vidiana io ka hoe ho atao vahaolana raha misy olana. Eo koa moa ny rivotra mitsoaka amin’izao fotoana izao, ny kolontsaina misy amin’izao fotoana izao, ny sarimihetsika isan-karazany izay ahitàna herisetra sy vono olona toy ny lasa kilalao na atao fanamboarana ny heverina ho tsy mety kely. Hitantsika teto amin’ny firenena koa nefa hatramin’izay, isaky ny misy hoe kihon-dalana na hetsika atao ara-politika dia ohatran’ny misy tranga toy izany foana koa toy ny hamiliana ny sain’ny olona. Anjarantsika no mijery. Efa nisy ny fandraisan’andraikitry ny rehetra toy ny fametrahana ireo fitaovana fanaraha-maso fa io moa tonga amin’ilay fiteny hoe ny ratsy tsy kely lalana. Mila hamafisina ny fitaovana, ny fandraisana andraikitry ny rehetra, ny fiaraha-miasa eo amin’ny mpitandro filaminana sy vondron’olona ifotony na fokonolona. Tokony apetraka sy arindra izany mba ho fanaraha-maso ary andry maso maharitra fa tsy hoe isaky ny miverina mipoitra foana ilay tranga vao averina indray ilay izy. Aoka izay ny miantso Dokotera aorian’ny fahafatesana! Ny tena fanontaniana mipetraka izany dia hoe fanakotabàna ny fanatontosàna izay atao eto amin’ny firenena ve izao sa familiana ny sain’ny olona, hoy hatrany izy.
J. Mirija