airtel

Actualités

08-déc-2022

Actualités

Ambatofinandrahana Lasa fanaovana bizina vato hatramin’ny CSB

Sample post image

Manankarena ny Malagasy, na ambonin’ny tany, na an-dranomasina indrindra fa ny ambanin’ny tany. Tsiriritin’ny vahiny ny harenantsika.

08-déc-2022

Tsy misy faritra tsy ahitana harena ankibon’ny tany raha mbola eto Madagasikara. Mila ho isan’andro no andrenesana fa vaky ny kariera atsy, mipoaka ny kariera aroa. Manaporofo izany ireo fitetezam-paritra nataon’ny minisitry ny harena an-kibon'ny tany sy ny loharanon-karena Stratejika, Rakotomalala Olivier Herindrainy, nametrahana "Zone d'encadrement" izay ivondronan'ireo mpitrandraka madinika avy any ifotony amin’ireo toerana samihafa ahitana toeram-pitrandrahana. Fa ny fanontaniana mipetraka dia hoe : tena mba misitraka ny tombontsoa avy amin’ireny fitrandrahana ireny tokoa ve ny Malagasy ao amin’ny Faritra isiany sa fehezin’olombitsy ny harena ? Ny loza aza dia lasa ifandrafiana sy ifamonon’ny samy Malagasy sy miteraka fanilikilihana ny raharaha, toy izay nitranga tany Andialana Avaratra, Distrika Amparafaravola. Ahiana hivaona toy izany ny tranga ao amin’ny toeram-pitrandrahana any Ambalamahatsara sy Antsahakely, Distrika Ambatofinandrahana, ampahany amin’ireo toeram-pitrandrahana harena ankibon’ny tany vao nivoaka any amin’ny Faritra Amoron’i Mania. Tamin’ny fidinana ifotony nataon’ireo manampahefana dia novoizina ny fahalalahana, mba samy hisitraka izany Malagasy ary samy resy lahatra ny rehetra fa hitondra fampandrosoana an’Amoron’i Mania ireo vato sarobidy sady lafo vidy mivoaka ny kariera. Teo ampanombohana ihany anefa izay no nihatra fa fehezin’olombitsy ny fitrandrahana ankehitriny. Ny loza aza dia mety hihatra aman’aina ny fidiran’olona ivelany amin’ny kariera, zary lasa fitehirizan’entana sy fanaovana bizina vato ny toeram-pitsaboana fototra eny hatramin’ny fitaovana enti-miasa avy amin’ny mpiara-miombon’antoka tokony hanamorana ny fanatanterahana ny asa momba ny fahasalamana any an-toerana aza mihodina amin-javatra hafa. Sarotra ny hino hoe tsy fantatry ny lehibe isan’ambaratonga izany fa na izy ireo voatapi-maso na miara-misaika amin’ity fitrandrahana vato ity, ka anairana ireo raiamandrenin’ny Faritra hijoro handamina.
Jean D.
 

Dans la même rubrique

02-juin-2025

Teo anatrehan’ny fiakaran’ny vidin’ny entona fandrehitra (gaz butane),

Card image cap
02-juin-2025

DELESTAZY ANY AMIN'NY RN1 Ahiana hitroatra ny vahoaka, ora 8 isan'andro raha kely

Card image cap
02-juin-2025

Miha sahirana indray ny SMA (Société Municipale d’Assainissement) amin’ny

Card image cap
30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap