airtel

Actualités

01-févr-2024

Ambohimahasoa Brickaville

Mbola nisy omby nohanin’ny biby hafahafa indray

Sample post image

Mbola nahitana trangana biby tsy fantatra mihinana omby indray tao Ambohimahasoa,

01-févr-2024

kaominina Vohitranivona, distrikan'i Brickaville omaly 31 janoary 2024 tamin'ny 4 ora maraina, hoy ny vaovao avy any an-toerana. Zanak'omby iray 13 volana no lasibatra tamin'izany ary manodidina ny 55kg eo ny nofony laniny. Biby manana endrika liona no hitan'ny tompon'ny omby, hoy ny tatitra. Boribory ny lohany sady misy somotra, miloko "marron" izay voalaza fa biby tsy fahita any an-toerana raha ny fanazavana. Fotoana fohy taorian'izay dia nitsoaka ilay biby. Miantso fandraisan'andraikitra ireo tompon'omby any an-toerana. Tsara moa no mampahatsiahy, fa efa tao anatin’ny roa taona teo no nisehoan’ity tranga hafahafa ity, efa manodidina ny 40 ny omby lasibatra, ka am-polony mahery ny tato anatin’ny roa volana. Nisy ny petra-kevitra nilaza fa ireo alika ao an-tànana no mihinana ny omby, indrindra taorian’ny famefena ny toerana famonoana omby fitadiavan’izy ireo sakafo. Nandeha ny famonoana alika faobe, saingy mbola misy io tranga io indray.
Nangonin’i Toky R
 

Dans la même rubrique

14-mai-2024

Nifoha indray ny afera Jirama mikasika kolikoly goavana nahasaraingotra ireo mpitantana sasany.

Card image cap
14-mai-2024

Mbola mahatratra 50.000 ireo raharaham-pitsarana mihantona eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga

Card image cap
14-mai-2024

12 tapitrisa Ariary no vidin’ilay vola volamena 50 Ariary milanja 1 Oz na 31,104 grama,

Card image cap
14-mai-2024

Endrey izany fiedinedin’ireo mpanao politika, maneho ny antsoina hoe :

Card image cap
14-mai-2024

Mikolay ny mpampiasa sy mpikirakira internet nanomboka ny alahady tolakandro teo noho ny haratsian’ny

Card image cap
14-mai-2024

Lasa mpilalao sary mihetsika malaza i Marc Tatandraza.

Card image cap