tambajotra, izay mihisatra dia mihisatra tokoa. Nimenomenona ny ankamaroan’ny mpanjifa indrindra fa ireo ao anatin’ny seha-pihariana mila izany. Omaly atoandro vao nilatsaka ny seraseran’ireo « operateurs » fa fahatapahan’ny fantsona tariby fifandraisan-davitra any ambany ranomasina na « câbles sous-marins » manerana ny faritra Afrika Atsinanana no nahatonga izany. Fahatapahan’ny làlam-pifandraisana iraisam-pirenena any Afrika Atsimo, hoy ny tambajotra iray. Vokany, mikorontana, tapatapaka sy mihena ny hafainganan’ny fifandraisana amin’ny internet amin’ny Firenena maro ka tafiditra ao anatin’io i Madagasikara. Isan’ny tena mampitaraina ny mpanjifa ny tolotra internet amin’izao fotoana izao satria mihalafo kanefa toa miharatsy ihany koa ny tolotra. Nohamafisina sy nolaniana tao anatin’ny filankevitry ny governemanta ny 8 mey ny fanafoanana ilay « prix plancher » na fameram-bidy 0,95 dolara ny 1gigaoctet izay tokony hampiverina amin’ny laoniny ny saran’ny internet izay nidangana tampoka ka mby aiza ny fampiharana? Aiza ny fandraisan’andraikitry ny Fanjakana izay fositra niteraka an’iny sa mijanona amin’ny fanambarana am-bava sy an-taratasy tsy misy mpanaraka? Viraviraina tanteraka amin’izay tiana hanaovana azy ny mpanjifa ?
Toky R
Mihamafy ny krizy ara-tsosialy amin’ny endriny maro : delestazy, fidangan’ny vidim-piainana,
Nolanian'ireo Solombavambahoaka tetsy amin'ny Antenimierampirenena Tsimbazaza omaly
Misy olom-panjakana mitsivalana, manaitra ny PRM sy PM » Henjana ny fifanolanana
An-taonany maro ny olan’ny rano etsy Andravoahangy, saingy tsy tena mbola mitoetra hatramin’izao.
Vehivavy iray 56 taona no sady tsara tarehy fantatra amin’ny anarana hoe :
Sahirana sy mikorapaka amin’ny tetikasa Base Toliara ny Fanjakana Rajoelina,