Efa saika miomana amin’izany avokoa ireo kaominina maro samihafa lalovan’ny renirano ka anisan’ireny ny kaominina Ampitatafika, distrikan’Antananarivo Atsimondrano. Raha araka ny fanazavan’Atoa Rabekijana Faly, lefitra faharoan’ny Ben’ny tanana omaly dia efa tsy mitsahatra ny manentana ny mponina izy ireo, indrindra fa ireo mipetraka amin’ny faritra iva. Entanina mba hiakatra amin’ny faritra avo ireto farany hisorohana ny loza mety hitranga. Raha tsiahivina moa ho an’Ampitatafika manokana dia ny ao amin’ny Fokontany Avaratetezana no tena lasibatry ny ranobe vokatry ny ranon’orana rehefa fotoam-pahavaratra. Ho an’ireo traboina nafindra teny amin-dry masera Benasandratra sy ny Epp ary ny Ceg Ampitatafika dia fantatra fa maromaro amin’izy ireo no efa afaka namonjy ny tokantranony. Nisaotra sy nankasitraka feno ny Ministeran’ny mponina araka izany ny kaominina Ampitatafika noho ny fanampiana sy ny tolo-tanana izay nentin’izy ireo izay tena betsaka sy nahafa-po tokoa.
Pati
Teo anatrehan’ny fiakaran’ny vidin’ny entona fandrehitra (gaz butane),
DELESTAZY ANY AMIN'NY RN1 Ahiana hitroatra ny vahoaka, ora 8 isan'andro raha kely
Miha sahirana indray ny SMA (Société Municipale d’Assainissement) amin’ny
Aina miisa telobe izao no indray nafoy tany amin'ny Fokontany Mahambolona,
Manahy ny ho tapaka rano koa ireo mponina etsy amin'ny Fokontany 67 Ha Avaratra Andrefana,
Efa 45 taona ny nijoroana sy nanaovana fanentanana mikasika ny ady