airtel

Actualités

18-févr-2025

AMPITATAFIKA SY ANOSIZATO

Miakatra ny reniranon’i Sisaony, tafakatra 35.000 ireo traboina

Sample post image

Tsy mitsaha-miakatra ny reniranon’i Sisaony vokatry ny ora-mikija tsy miato nanomboka ny Zoma 14 Febroary

18-févr-2025

lasa teo. Lasibatra vokatr’izany ny ankamaroan’ ireo tokantrano manamorona ity renirano ity antony namindrana azy ireo hiakatra amin’ny toerana avo. Ho an’ny kaominina Anosizato Andrefana manokana dia efa tafakatra 34.000 isa ireo traboina avy amina tokantrano 620 tafo ao amin’ny Fokontany Antandrokomby sy Ambodivona. Napetraka ao amin'ny Villa Lily Ambanimaso Anosizato avokoa izy ireo hatramin’ny omaly Alatsinainy 17 Febroary. Toraka izany koa ireo mponina avy ao amin’ny Fokontany Anjanamaitso, Ampitatafika. Maro koa ireo traboina nafindran’ny zandarimariam-pirenena toerana ka miisa 75 lahy izy ireo no nitatitra ny entan’ny mponina sy nibaby ireo ankizy madinika sy zokiolona. Ao amin’ny CGE Faliarivo moa no napetraka ireo traboina avy ao Ampitatafika ho fiarovana ny ain’izy ireo.
Nangonin’i Pati
Legende : Tahaka izao ny haavon’ny ranon’i Sisaony mandalo eny Ampitatafika !

 

Dans la même rubrique

02-juin-2025

Teo anatrehan’ny fiakaran’ny vidin’ny entona fandrehitra (gaz butane),

Card image cap
02-juin-2025

DELESTAZY ANY AMIN'NY RN1 Ahiana hitroatra ny vahoaka, ora 8 isan'andro raha kely

Card image cap
02-juin-2025

Miha sahirana indray ny SMA (Société Municipale d’Assainissement) amin’ny

Card image cap
02-juin-2025

Aina miisa telobe izao no indray nafoy tany amin'ny Fokontany Mahambolona,

Card image cap
02-juin-2025

Manahy ny ho tapaka rano koa ireo mponina etsy amin'ny Fokontany 67 Ha Avaratra Andrefana,

Card image cap
02-juin-2025

Efa 45 taona ny nijoroana sy nanaovana fanentanana mikasika ny ady

Card image cap