no fantatra fa niara-hita faty tany Antsahamahitsohitso, kaominin'i Doany, distrikan'Andapa, afak’omaly 21 Novambra folakandro. Ilay voalohany izany hoe : ilay tovovavy nahitan'ny dokotera sy ny zandary dian-java-maranitra lalina teo amin'ny lohany.Ny razana faharoa kosa na ilay tovolahy dia hita nihantona tamin'ny hazo. Voagejan'ny tady ny tendany nandritra izany. Raha ny fanazavana niainga tamin'ny fizahana sy ny fanadihadian'ny manam-pahefana dia notombonan’izy ireo ho nofirain'ilay tovolahy tamin'ny antsibe ilay tovovavy sakaizany. Rehefa matiny tsara ity farany dia nananton-tena koa izy. Nilaza tamin'ny zandary moa ny fianakaviana fa, nifamaly izy roa kely ireo, ny Sabotsy lasa teo ka mety izay no anton’izao fisafidianana ho any amin’ny varo-tsy mifody izao indrindra fa ho an’ilay tovolahy, raha tsy nanam-pidiny kosa ilay tovovavy.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay tovolahy efa nihantona tamin’ny tady tahaka izao no hita ny fatiny !
Na ny ao amin’ny JIRAMA aza izao izany dia milaza fa hatramin’ny faran’ny taona
Manamafy avo roa heny ny fahamailoana ny SAMIFIN izay sampan-draharaha misahana
Lany teny anivon'ny Antenimieram-pirenena ny tolo-dalàna miaro manokana ireo varira
Hilatsaka hatramin'ny 3°C ny marimpana ambany indrindra ao Antsirabe
Fotoana izao anovana ny rafitry ny angovo eto Madagasikara, hoy ny mpandinika fiainam-pirenena,
Mitohy ny fandromban'ny mpijirika ny harem-pirenena Malagasy.