airtel

Actualités

24-nov-2026

ANGOVO AVY

AMIN’NY MASOANDRO AO MANGATANY

Sample post image

Nahavitana mitsitsy gazoala mitentina

24-nov-2026

7,8 miliara Ar tao anatin'ny 9 volana
Mitohy ny ezaka amin’ny fampiroboroboana ny famokarana herinaratra avy amin’ny angovo azo havaozina eto Madagasikara. Tonga nitsidika ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny herin’ny masoandro tao Mangantany, Arivonimamo omaly Alatsinainy 23 Novambra 2026, ny Delegasiona notarihin'Atoa Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo, Rabearimanga Radonirina Lucas. Nandritra ny fitsidihina dia hita fa efa misy vokatra mivaingana entin’ity foto-drafitrasa ity. Manana tanjaka 9,5 Mwc ny tobim-pamokarana herinaratra, ka ny 8 MWc no efa mamatsy ny Tambazotra Iraisan' Antananarivo (RIA) miaraka amin’ny vatoaratra (batterie ) Bess 5 Mhw. Nanomboka ny volana Desambra 2025, hatramin'ny Septambra 2026 dia efa nahatratra 5,2 Gwh ny herinaratra novokarina eto Mangatany, ka nahafahana nitsitsy gazoala manodidina ny 1,4 tapitrisa litatra, izay mitentina 7,8 miliara ariary. Ny JIRAMA no nanatontosa manontolo ny asa fananganana ity tobim-pamokarana herinaratra ity. 4 taona monja dia efa hiverina ny mason-karena amin'ny nananganana ny fotodrafitrasa. Mitohy ny asa famaranana ny dingana fahatelo, izay hanampy tanjaka 1,5 Mwc sy vatoaratra 1 Mwh. Tanjona ny hanamafisana hatrany ny famokarana herinaratra avy amin’ny angovo madio, hampihenana ny fandaniana amin’ny solika ary hanatsarana ny famatsiana herinaratra ho an’ny mponina.
Pati
Legende : Ireo delegasiona tonga tany Mangatany omaly !
 

Dans la même rubrique

24-nov-2026

ireo fahazoan-dalany ny mpiasa

Card image cap
24-nov-2026

Trano miisa 15 may,

Card image cap
24-nov-2026

Nitondra zava-baovao ireo

Card image cap
23-nov-2026

Tanim-pasan’olona misy

Card image cap